π€πŒππ€π’π€πŒπ€ππ€π“πŽππ†πŽπ“π‘π€ | π•π€π‹πˆ-𝐁𝐀𝐁𝐄𝐍𝐀 π“π’π˜ πŒπ€ππ€πŒ-ππ€π‡π€π‘πŽπ€

18 0
πŸ“Œ Ampasamanatongotra dia toerana tsy maintsy lalovaana raha hankany Tsiroanomandidy, na Ampefy iny ianao, manamorona ny lalam-pirenena voalohany, ary 99 km eo ho eo miala an’Antananrivo Renivohitra no misy azy.
πŸ“Œ Raha araka ny fitantaran’Andriamatoa ANDRIAMIRINDRA Sammy, izay sady tarak’ireo 14 mianadahy nananagana ity Ampamanatongotra ity, no sady Sefom-pokontany, dia tahaka izao ny tantara :
Β« Fahagola , efa ela be tany, dia nisy olona miralahy iraitam-po, rehefa samy lehibe izy mirahalahy ireo, dia samy nanambady.
Nohon’ny vintana tsy mitovy, nohon’ny anjara tsy sahala dia tonga mpanefohefo fatratra ilay zokiny, fa ilay zandriny kosa dia najary farahidiny indrindra, teo amin’nt tany amamonina.
Kanefa na dia nanankarena nanontany ny ory aza Ingahimatoa, dia indry fa tsy mba manan-janak’ho dimby, satria karazan’irony vehivavy momba irony no tojo azy, fa Ingahifara kosa dia maro anaka izay tsy izy, satria dia 14 mianadahy be izao ireo naterany.
Hita taratra fa tena misy tsy fifankazahoana tanteraka teo amin’ireto fianakaviana ireto, satria raha mba mitaraina any amin’Ingahimatoa i Faralahy, dia latsa sy handrohadro no azony. Mangidy tami’ity niangaran’ny vintana ny fihainoana sy niainana izany, ary tsampan’ireto ankisy teo amin’ny ankohonany.
Indray andro, dia niresaka tamΓΉin’izy mivady ireto zaza naterany, Β« Ry Ikaky sy Neny Γ΄ ! na dia mahantra fadiranovana aza ianareo, na nitafy voronkitsay aza, ka nanompoanareo olona ny namelomanareo anay, mby lehibe izahay, dia hanao valim-babena izay hampitolagaga ny maro ho anareo izahay Β»

πŸ“ŒΒ  Nony nindaosin’ny fahafatesana izy mivady ireto taty aoriana dia nananganan’izy 14 mianadahy fasana ary nasiany nasiany tongony 14 ilay fasana, ho mariky ny fitiavan’izy ireo ireto nahitany masoandro.
πŸ“ŒΒ  Ary nohon’ny fisain’i fasana io no nahatonga ilay anaran’ny tanana hoe AMPASAMANATONGOTRA,
Fa ilay lahy matoa kosa rehefa maty, dia lasa antsoin’ny olona hoe Β« Fasam-bazimba Β» ny fasany
Raha araka ny filazan’Andriamatoa Sammy ihany, dia dia fasana an’ny mpiaramonina aminy io fasana iray tsy misy tongony io fa ny fasan’ilay Lahimatoa dia natao nalavirina manodidina ny 1km eo ho eo miala eo amin’io fasana misy tongony io,…
πŸ“Œ Nisaotra ny Minisitra Lalalatina RAKOTONDRAZAFY ity Filohan’ny Fokontany ity, satria izy no nanajary ity toerana mitahiry ny hasin’ny Razany ity.
π‘»π’”π’š π’‚π’π’ˆπ’‚π’π’, π’•π’”π’š π’‚π’“π’Šπ’“π’‚ 𝒇𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒛𝒂𝒗𝒂-π’Žπ’Šπ’”π’š π’‚π’“π’š π’π’Šπ’‚π’Šπ’π’‚π’β€™π’Šπ’“π’†π’ π‘Ήπ’‚π’›π’‚π’Žπ’ƒπ’†π’π’‚π’š π’Šπ’›π’‚π’π’š, π’‰π’π’š π’Šπ’‰π’‚π’π’š π’π’š π’‡π’Šπ’•π’‚π’π’•π’‚π’“π’‚π’π’‚.
Nangon ‘Lay Mahintsy

Related Post