KOMITY IOMBONAN’NY MPIASA MALAGASY (K.I.M.M): TONGA NY FOTOANA HAMETRAHANA NY MPIASA MALAGASY AMIN’NY TOERANA MENDRIKA SY SAHAZA AZY.

275 0

🔴Hanantanteraka fihaonamben’ny mpiasa malagasy ny K.I.M.M na Komity Iombonan’ny Mpiasa Malagasy ny Sabotsy 07 septambra ho avy izao eny Antsahamanitra manomboka amin’ny 09 ora maraina.

🔴Tsapa sy hita mantsy fa marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ary mahantra ny mpiasa hoy izy ireo androany ka fotoana izao hametrahana ny mpiasa malagasy amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy.

🔴 Hetsika natokana ho an’ny mpiasa malagasy iray manontolo mba hanambarany ny maharary azy any amin’ny toerana iasany sy hanolorany soson_kevitra sy vahaolana mifanandrify amin’izany.

🔴 Hisy ny fehin_kevitra haravona ka hatsangana ny delegasiona izay ahitana solontenan’ireo mpivondrona rehetra ka io delegasiona io no mitondra ny fehin_kevitra any amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy any amin’ireo mpiara_miombon’antoka.

🔴 Ahitana ireo sendikan’ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana,ny mpiasa mahaleotena,ny tantsaha, ny tsy an’asa,mpanjifa,ny mpiasam_panjakana misotro ronono ary ireo mpisotro ronono ao amin’ny CNAPS no mivondrona ao anatin’ny K.I.M.M.

📝M.Elvina

Related Post

𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟴 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗠𝗘𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗢𝗦𝗜𝗞𝗔 𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤

Posted by - août 8, 2025 0
👉𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝙄𝙢𝙚𝙧𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙤𝙨𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙗𝙚𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙤𝙡𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙛𝙖…