SABOTSY NAMEHANA | JAZZ ANTOHATOHABATO

9 0
Toy ny mahazatra isan-taona, dia nisantatra ny Jazz antohatohabato ny Mponin’i Sabotsy Namehana ny Zoma 09 Aogositra 2024 lasa teo, fiangaliana Mozika Jazz izay niarahana tamin’io Ekipa matianina avy eo amin’ny CGM.
Raha ny fantatra dia efa andiany faha 13 ity tanterahina ity, ary tsikaritra hatrany fa mitombo isa ny mpankafy izany Mozika Jazz izany, ary misokatra amin’ny Gadona hafa ihany koa ity Jazz Antohatohabato ity, arakan’ny fanazavan’i Ramatoakely Manou RADONASON, anisan’ireo Tompon’andraiktra raha tafaresaka taminay izy.
Fa ankoatr’ity seho sy hetsika natao tety amin’ny Kaominina Sabotsy Nmehana ity, dia ny alahady faha 11 Aogositra no tena ivon’izany hetsika izany, ka eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no hanatantrehana azy, tonga haneho ny talentany ao ny Tarika Samoela, sy ireo efa fantatra amin’ny resaka Jazz hatr’izay.
Nisaotra sy maniry ny mbola hitohizan’ity hetsika ity ny Ben’ny Tanana Mpisolon-toerana eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Herinaina Gabin Rakotoarisoa,
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

OJM Amoron’i Mania| 𝗖𝗼𝗻𝗰𝗼𝘂𝗿𝘀 𝗞𝗮𝗿𝗮𝗼𝗸𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗿-𝘀𝗲𝗿𝗰𝘃𝗶𝗰𝗲

Posted by - décembre 24, 2023 0
𝗙𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗢𝗝𝗠 𝗔𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡’𝗜 𝗠𝗔𝗡𝗜𝗔 🙏👉Isaoranay Andriamanitra satria tontosa an-tsakany sy andavany iny hetsika 𝗖𝗼𝗻𝗰𝗼𝘂𝗿𝘀 𝗞𝗮𝗿𝗮𝗼𝗸𝗲́ 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗿-𝘀𝗲𝗿𝗰𝘃𝗶𝗰𝗲 iny ny…