30 TAONA TSY NANANA FITAOVANA NY FITSABOANA NY NIFY SY ATI-VAVA NY CSB2 MORONDAVA

137 0

Telom-polon-taona mahery niaina tao anaty fahasahiranana ny mpitsabo ny nify s yati-vava ka tsy nanao afa-tsy ny fanalana nify ihany izay nalana tamin’ny tanana ny eo anivon’ny CSB2 Morondava ka voavaha izany olana izany ankehitriny nohon’ny fiarahamiasa teo amin’ny fiarahamiasa ny fikambanana CeFrEnSoM sy ny kosilan’ny Monaco dia nahazo fitaovana fitsaboana sy fitiliana ny nify sy n yati-vava ny CSB2 Morondava izay natolotra androany ka tonga nanatitra izany ny fianakaviana Bianquo izay angady nanana sy vy nahitana izao fitaovana izao .
Tonga nandray sy nanome voninahitra izany ny Prefet ny Morondava sy ny dokotera lehiben’ny fiadidiana ny fahasalamam-bahoaka ato amin’ny distrika Morondava ary ny benin’ny tanana mpisolo toeranana eto amin’ny kaominina ambonivohitrta Morondava nandray izany kosa ny dokotera Rasamivololona Tiana chef CSB2 Morondava sy dokotera vola tomponan-draikitry ny fahasalaman’ny nify sy n yati-vava ato amin’ny faritra Menabe ary ny dokotera Rakozafy Zo Heritiana izay hampiasa ny fitaovana .
Velompisaorana ireo mpiara-miombon’antoka moa ny fitondrampanjakana izay nosoloan’ny Prefet tena ary maniry ny hitohizan’izany izy sady manatena ihany koa ny fikojakojana izao fitaovana izao
Tsara ho marihina moa fa misy fandraisana anjara kely entina haikojakojana ireo fitaovana ny fitsaboana izay atao ao ary nanao fanentanana ihany koa i dokotera Zo fa efa miantsehatra amin’ny fitsaboana ny rehetra mikasika ny nify s yati-vava ny eo anivon’ny CSB2 Morondava ankehitriny

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…