30 TAONA TSY NANANA FITAOVANA NY FITSABOANA NY NIFY SY ATI-VAVA NY CSB2 MORONDAVA

309 0

Telom-polon-taona mahery niaina tao anaty fahasahiranana ny mpitsabo ny nify s yati-vava ka tsy nanao afa-tsy ny fanalana nify ihany izay nalana tamin’ny tanana ny eo anivon’ny CSB2 Morondava ka voavaha izany olana izany ankehitriny nohon’ny fiarahamiasa teo amin’ny fiarahamiasa ny fikambanana CeFrEnSoM sy ny kosilan’ny Monaco dia nahazo fitaovana fitsaboana sy fitiliana ny nify sy n yati-vava ny CSB2 Morondava izay natolotra androany ka tonga nanatitra izany ny fianakaviana Bianquo izay angady nanana sy vy nahitana izao fitaovana izao .
Tonga nandray sy nanome voninahitra izany ny Prefet ny Morondava sy ny dokotera lehiben’ny fiadidiana ny fahasalamam-bahoaka ato amin’ny distrika Morondava ary ny benin’ny tanana mpisolo toeranana eto amin’ny kaominina ambonivohitrta Morondava nandray izany kosa ny dokotera Rasamivololona Tiana chef CSB2 Morondava sy dokotera vola tomponan-draikitry ny fahasalaman’ny nify sy n yati-vava ato amin’ny faritra Menabe ary ny dokotera Rakozafy Zo Heritiana izay hampiasa ny fitaovana .
Velompisaorana ireo mpiara-miombon’antoka moa ny fitondrampanjakana izay nosoloan’ny Prefet tena ary maniry ny hitohizan’izany izy sady manatena ihany koa ny fikojakojana izao fitaovana izao
Tsara ho marihina moa fa misy fandraisana anjara kely entina haikojakojana ireo fitaovana ny fitsaboana izay atao ao ary nanao fanentanana ihany koa i dokotera Zo fa efa miantsehatra amin’ny fitsaboana ny rehetra mikasika ny nify s yati-vava ny eo anivon’ny CSB2 Morondava ankehitriny

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…