RATSANA FANANTENANA FJKM ITAOSY | NANATANTERAKA FANENTANANA

271 0

Nanatanteraka fanentanana amin’ny tsy fisotroana sy fandraisana zava-pisotro misy alikaola ary indrindra ny fanalavirana ny fidorohana ny zava-mahadomelina hoan’ny Mpamily fiarakodia sy mpisavika kodiaran-droa ny RATSANA FANANTENANA FJKM ITAOSY na ny Vokovokomanga izany. Fanentanana izay natao tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny.

Mitondra Fanazavana ny Filohan’ity Fikambanana ity, Andriamatoa RAHARISON John Andrianantenaina.

Fa araka ny voalazan’ireo hatrany, dia tsy hijanona ho vonjy tavan’andro ihany ity fanentanana ity fa ho hatao matetitetika, ary hisy mihintsy fandaharam-potoana mati-paika entina hanatanterahana izany.

Fantatra fa fiaraha-miasa matotra eo anivon’ny Borigadin’ny Zandary Mariampirenena eto Ambatomirahavavy sy Imeritsitosika ary ny Sampana vokovoko Manga eto anivon’ny FJKM Itaosy no angady nanana sy vy nahita izao hetsika tena ilain’ny Mpamily sy Mpanamory kodiaran-droa izao.

 

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…