Niteraka olana ara-tany goavana tao amin’ny Kaominina Ambohijanaka ny raharaha iray, rehefa tany efa novidiana sy nokarakaraina ary nanorenana trano nandritra ny 15 taona no voalaza fa efa nataon’ny tompony teo aloha antoka tamin’olon-kafa.
Araka ny fanazavana voaray, dia nividy ara-dalàna ilay tany Ramatoa Haingo. Nambarany fa tsy nampahafantarin’ilay mpivarotra azy velively ny fisian’ny antoka na fifanarahana hafa mifandraika amin’io fananana io tamin’ny fotoana nanaovany ny fividianana.
Nandritra ny 15 taona dia nanajary ilay toerana izy, nikarakara izany ary nanorina trano teo amboniny. Tsy nisy olona tonga nilaza taminy nandritra izany fotoana lava izany fa efa natao antoka tamin’olon-kafa ilay tany. Rehefa afaka 15 taona anefa, vao nipoitra ny olona iray nilaza fa izy no nanaovana ilay tany ho antoka.
Mipetraka araka izany ny fanontaniana: taiza foana ilay olona nilaza fa nanaovana ny tany ho antoka nandritra izay 15 taona nanajariana sy nanorenana trano teo amin’ilay toerana izay? Nahoana no izao vao nipoitra ny fitakiana, rehefa efa vita ny fanajariana sy ny fanorenana?
Efa niakatra fitsarana ny raharaha. Na izany aza, nilaza Ramatoa Haingo sy ny ankohonany fa tsy nahazo ny rariny nandrasany izy ireo, indrindra satria tsy nahalala velively ny fisian’ilay antoka tamin’ny fotoana nividianany ny tany.
Ny talata maraina, tokony ho tamin’ny 7 ora, dia tonga teny an-toerana ny vadintany nanatanteraka ny didy fandravana ilay trano. Nampalahelo sy nampisafotofoto ny fianakaviana izany, rehefa trano naorina sy fananana nokarakaraina nandritra ny taona maro no rava noho ny olana iray izay, araka ny filazan’izy ireo, tsy nampahafantarina azy ireo hatrany am-boalohany.
Mampametra-panontaniana lalina momba ny fiarovana ara-dalàna ny mpividy tany ity raharaha ity. Mampiseho ihany koa ny mety ho voka-dratsin’ny tsy mangarahara eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy, ary ny maha-zava-dehibe ny fanamarinana lalina ny taratasy sy ny satan’ny tany eny anivon’ny sampandraharaha mahefa alohan’ny hanaovana fifampivarotana.
Miandry fanazavana mazava sy mangarahara momba ny tena fizotry ny raharaha sy ny andraikitry ny tsirairay voakasika araka izany ny fianakaviana sy ireo mpanara-baovao.
Sary sy Loharano : Gazety Basy vava Ofisialy


