100 Taona tany Rachaya : Herim-po, Firaisan-tsaina ary Fankalazana Tantara 

9 0

Zato taona lasa izay, ny miaramila avy amin’ny 4e escadron no nifehy ny citadelle tao Rachaya, niaraka tamin’ny gendarmes libanais sy ny Spahis, tamin’ny ady nanamarika ny fototry ny 1er Régiment Étranger de Cavalerie (1er REC).

Ity ady ity dia iray amin’ireo hetsika miavaka indrindra tamin’ny tantaran’ny Legion Etrangère, izay nandrafitra ny herim-po, ny firaisan-tsaina ary ny fahaiza-miaina tamin’ny ady.

Tamin’io fotoana io, ny miaramila sy ny mpiara-miasa dia niatrika toe-javatra sarotra sy fahavalo marobe, ka ny fahavitrihana sy ny fahasahiana nasehon’izy ireo no nanamafy ny laoniny sy ny voninahitr’ity regiment ity amin’ny tantara miaramila frantsay.

Ankehitriny, tamin’ny fomba tsy fahita firy no hetsika nentina nankalazana izany fahafenoana ny faha zato taona ny regiment izany ka amin’ny toerana roa samy hafa no indray nanatanterahana ny hetsika, dia tao : 

  • Carpiagne, toerana misy ny garnison any Frantsa, nisian’ny fihaonana ara-pomba ofisialy sy fandraisana anjara amin’ny hetsika ara-tafika,

  • Liban, tao anatin’ireo rindrina mitahiry ny tantara izay niadiana nataon’ny razambenay tamin’ny 21 ka hatramin’ny 25 Novambra 1925, toerana nisy fanomezam-boninahitra mivantana ho an’ireo miaramila maty tao an-toerana.

Ho an’ireo miaramila roa tonta maty tao Rachaya, natolotra fanajana mitovy izy ireo: fanomezam-boninahitra ny firaisan-tsaina amin’ny ady, ny fahatokisana ny tenin’ny natao, ary ny herim-po tsy miova mandrakariva.

Ity fankalazana ity koa dia fahatsiarovana ny tantara sy fanomezam-boninahitra ny raza sy razambenay, izay nampianatra ny taranaka vaovao ny soatoavina miaramila: fahasahiana, firaisan-tsaina, ary fanoloran-tena ho an’ny tanindrazana.


📸 Sary nalaina tao amin’ny rindrin’ny 1er Régiment Étranger de Cavalerie
By Emma Rose Délima, Feonydemokrasia Paris

Related Post

RUSSIE – AFRIQUE

Posted by - novembre 8, 2023 0
RUSSIE – AFRIQUE : Hanamboaran’ny RUSSIE Centrales Nucléaires i MALI sy BURKINA FASO izay hamaha tanteraka ny olan’ny erin’aratra. Kihon-dalana…