๐— ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฐ๐—ผ ๐—ฅ๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ : ๐…๐ž๐จ๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐“๐š๐ง๐จ๐ซ๐š ๐“๐ข๐š ๐“๐š๐ง๐ข๐ง๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ก๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐ซ๐ž๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐งโ€™๐ข ๐Œ๐š๐๐š๐ ๐š๐ฌ๐ข๐ค๐š๐ซ๐š

22 0


โœ…Mpandraharaha, mpandinika stratejika ary mpiaro ny diplaomasia ara-toekarena mahaleotena, Marco Rabenefitra dia anisanโ€™ireo tanora malagasy manana fijery lavitra sy finiavana hanova ny firenena.
Manana ny mari-pahaizana MBA manokana aminโ€™ny Lalร na ara-barotra sy ny Varotra iraisampirenena, izy dia isanโ€™ireo mpandraharaha tanora indrindra teto Madagasikara, indrindra teo aminโ€™ny sehatry ny fanondranana vokatra.
Taminโ€™ny taona 2019, taminโ€™ny fotoana mbola tsy nisy sahy niteny, Marco Rabenefitra no
isanโ€™ny voalohany nitsangana sy nitoroka ampahibemaso ny kolikoly tao aminโ€™ny Minisiteranโ€™ny varotra, indrindra teo aminโ€™ny fanomezana ยซ agrรฉmentsยป aminโ€™ny fanondranana lavanila sy
jirofo.
Io fijoroana tsy natahotra io anefa dia nampitondra faisana azy sy ny orinasany nandritra ny 6 taona mahery: tsy nomena  ยซagrรฉments ยป mihitsy ny orinasany, notsaraina sy nojerena araketra imbetsaka taminโ€™ny vola tsy nisy fanazavana mazava, ary nahazo fandrahonana mivantana mihitsy ny ainy.
Noho izany, dia nisafidy ny hiala vonjimaika anโ€™i Madagasikara izy mba hanohy fianarana sy
hanorina fiainana vaovao any Dubaรฏ. Tao, dia nanao ezaka vaovao izy taminโ€™ny sehatry ny
varotra sy ny fifanakalozana iraisam-pirenena, ary aminโ€™izao fotoana izao dia mitarika tetikasa lehibe momba ny famatsiana rano fisotro madio ho anโ€™ny tany afrikana โ€” tetikasa mikendry ny hanatsara ny fiainanโ€™ny mponina any aminโ€™ny faritra ambanivohitra.
Na dia tafapetraka any ivelany aza, tsy adinony mihitsy i Madagasikara. Fitiavan-tanindrazana
lalina no nanosika azy hanoratra ilay boky mitondra ny lohateny hoe โ€œVisions et Changements: Un Manifeste pour Madagascarโ€, izay manolotra vahaolana ho aminโ€™ny fanarenana ny firenena aminโ€™ny sehatra telo lehibe: rariny, mangarahara ary diplaomasia ho anโ€™ny fampandrosoana.
Efa tany am-piandohana, Marco Rabenefitra dia isanโ€™ny olona nanohana sy nandray anjara
mavitrika taminโ€™ny tolona nataonโ€™ny โ€œGen Zโ€, hetsika mitaky ny fiovana hoanโ€™ny taranaka sy ny fitakiana rafitra vaovao ho anโ€™i Madagasikara. Aminy, io hetsika io dia famantarana ny fahatsiarovan-tena nasionaly, izay tena ilaina aminโ€™ny fanovana marina sy maharitra.
โ€œTsy mitady valifaty aho, fa mitady fanarenana. Mila diplaomasia mahaleotena, mahay ary
marim-pototra i Madagasikara โ€” diplaomasia izay miaro ny tombontsoanโ€™ny vahoaka, fa tsy ny anโ€™ireo vondronโ€™olona manokana,โ€ hoy i Marco Rabenefitra.
Aminโ€™izao fotoana izao, Marco Rabenefitra, manampahaizana manokana aminโ€™ny diplaomasia sy ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, dia vonona hiara-miasa aminโ€™ny fitondrana vaovao raha ilaina, mba handray anjara aminโ€™ny fanavaozana sy fanorenana indray anโ€™i Madagasikara.
Ny fijoroany, feno herim-po sy fahendrena, dia manaporofo fa izy dia feonโ€™ny fiovana sy
fahazavana ho anโ€™ny firenena.
โœ๏ธRA PA

Related Post