๐— ๐—ข๐—ฅ๐—ข๐—ก๐——๐—”๐—ฉ๐—”
๐—ง๐—ผ๐—ป๐—ด๐—ฎ ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—š๐—ผ๐˜‚๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฟ๐—ป๐—ฒ๐˜‚๐—ฟ-๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—Ÿ๐—ถ๐—ผ๐—ป๐˜€ ๐—–๐—น๐˜‚๐—ฏ ๐——๐—ถ๐˜€๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ฐ๐˜ ๐Ÿฐ๐Ÿญ๐Ÿณ, ๐—ณ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐Ÿด๐Ÿด ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐—ฑ๐˜† ๐—ฎ๐˜‡๐˜†

5 0

Morondava, 15 Febroary 2026
Tonga eto Morondava taminโ€™ny 12 ora atoandro teo ny Governoranโ€™ny ๐‹๐ข๐จ๐ง๐ฌ ๐‚๐ฅ๐ฎ๐›๐ฌ ๐ˆ๐ง๐ญ๐ž๐ซ๐ง๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ ๐ƒ๐ข๐ฌ๐ญ๐ซ๐ข๐œ๐ญ ๐Ÿ’๐Ÿ๐Ÿ•, ๐‹๐ข๐จ๐ง ๐‚๐ก๐ซ๐ข๐ฌ๐ญ๐จ๐ฉ๐ก๐ž ๐‚๐š๐ซ๐ซ๐ข๐ž๐ซ, ao anatinโ€™ny fitsidihana ofisialy ataony aminโ€™ireo klioba isam-paritra.

Nitsena azy teny aminโ€™ny seranam-piaramanidina Andrรฉ Resampa ny mpikambana ao aminโ€™ny Lions Club Morondava, ho mariky ny fandraisana am-pitiavana sy fanamafisana ny firaisankina eo anivonโ€™ny fikambanana.

Marihina fa izao no fitsidihana faha-88 tanterahinโ€™ity Governora ity hatraminโ€™ny naha-voafidy azy hitarika ny District 417, izay ahitana anโ€™i Madagasikara sy ireo nosy manodidina ao anatinโ€™ny faritra iadidiany. Maneho ny fahavononany hanakaiky sy hanohana ireo klioba eny ifotony izany, indrindra aminโ€™ny fanatanterahana ny asa sosialy sy fampandrosoana ho anโ€™ny fiarahamonina.

Antenaina fa hitondra vokatra tsara ho anโ€™ny Lions Club eto an-toerana sy ny vahoaka aminโ€™ny ankapobeny ity fitsidihana ity, aminโ€™ny alalanโ€™ny fifampidinihana sy ny fanamafisana ny tetikasa ho tanterahina , maromaro moa ireo fandaharam-potoany amin’izao fitsidihana izao.
โœ๏ธRA PA

Related Post