𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π— π—£π—”π— π—£π—œπ—Ÿπ—¬ 𝗧𝗨𝗖 𝗧𝗨𝗖 𝗑𝗔 𝗕𝗔𝗝𝗔𝗝 π—¦π—”π—œπ—žπ—” π—‘π—œπ—›π—”π—₯𝗔𝗑`𝗑𝗬 π—›π—”π—§π—˜π—­π—˜π—₯𝗔𝗠-π—•π—”π—›π—’π—”π—žπ—” π—₯π—˜π—›π—˜π—™π—” 𝗑𝗔𝗑𝗗𝗒𝗑𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔 π—žπ—˜π—Ÿπ—¬

91 0
Zaza vavy 3 taona no voadonan`ny tuc tuc na Bajaj teo akaikin`ny travaux, tsy lavitra bazary Ambalanantsotry Mandritsara omaly alakamisy 23 janoary tolakandro. Nandositra niaraka tamin`ny bajaj-ny ilay mpamily rehefa io no nitranga ka raikitra ny fanenjehan`ny vahoaka azy eran`ny lalam-be. Tsy misy ahiana ny ain`ilay zaza kely, efa nahazo fitsaboana.
Mamo ilay mpamily sady tsy manana « permis de conduire  » raha ny fanamarihana avy aimn`ny pitandro filaminana. Niditra an-tsehatra ny Polisy nandamina ny raharaha ka nitady io mpamily io. Tratra ity farany ary notazomina mba hatao fanadihadiana. Romotra ny vahoaka saika handoro bajaj sy hamono ilay mpamily. Izany no nisiany tifi-danitra mba nanaparitahana ny vahoaka hialana amin`ny savorovoro mety mety mitranga.
Nangonin`i Claudio

Related Post

Kaominina ambanivohitra BemokotrΓ  | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
π€π§π­πšπ§πšππšπ―πš/ππžπ¦π¨π€π¨π­π«πšΜ€: 𝐍𝐒𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπ¨π¦π›πš 𝐨𝐟𝐒𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 𝐀π₯𝐚𝐑𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…