๐™๐š๐ณ๐š ๐Ÿ‘ ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ญ๐จ๐ค๐š ๐ก๐ž๐ญ๐ฒ: ๐•๐จ๐š๐ฌ๐š๐ฆ๐›๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐‘๐š๐ฒ ๐š๐ฆ๐š๐ง-๐๐ซ๐ž๐ง๐ข๐ง๐ฒ

74 0
Ambohimalaza โ€“ Tranga mahatsiravina no niseho teny aminโ€™ny fokontany Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza Miray, distrikanโ€™i Antananarivo Avaradrano, taminโ€™ity herinandro ity. Zaza lahy vao 3 volana monja no voatsatoka hety teo aminโ€™ny tendany.
Nitarika fisamborana haingana ireo ray aman-dreninโ€™ny zaza ity heloka bevava ity. Araka ny fanazavan’ny manam-pahefana, dia noahiahiana ho nahavita famonoana olona iniana natao ity ilay raikeliny, raha voarohirohy ho niara-nanampy azy kosa ny reniny. Samy efa nalainโ€™ny zandary am-pitandremana izy mivady ireo, ary nentina natao famotorana.
๐…๐š๐ฆ๐จ๐ง๐จ๐š๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐จ๐ฆ๐š๐ง๐š
Araka ny loharanom-baovao azo avy aminโ€™ny manam-pahefana, efa nomaninโ€™ny rainy (Raikeliny raha ny marimarina kokoa) mialoha ity famonoana ity. Nilaza ity farany fa tsy nahatsapa fitiavana avy aminโ€™ny vadiny intsony izy hatraminโ€™ny nahaterahanโ€™ilay zaza.
Voalaza ihany koa fa mbola 7 volana bevohoka taminโ€™i Josoa ramatoa vao niara-nonina taminโ€™ilay rangahy, ary rehefa teraka ny zaza dia nanambara ity farany fa homena ho tezainโ€™ny fianakaviana iray eny Sabotsy Namehana.
Kanjo hay famitahana fotsiny izany. Tsy nisy olona nandray anโ€™ilay zaza teny aminโ€™ny toerana nolazaina. Tetsy andaniny, nosamborina teny Ambohimangakely ilay lehilahy, raha teny Ambohimalaza kosa no nahatrarana an-dramatoa. Nambaranโ€™ny mpitandro filaminana fa mbola tratra teny aminโ€™ny tokantranony ireo fitafiana nampiasainโ€™ilay rangahy nandritra ny famonoana anโ€™i Josoa kely. Isaorana ny Nahary fa tsy nahafaty azy ny famonoana ity zaza ity
Mitohy ny fanadihadiana, ary an-dalam-panaovana fanadihadiana lalina ny manam-pahefana aminโ€™ity tranga mahatsiravina ity.
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

แดษชแด€ษดแด…ส€แด€ษดแด…ส€แด€ แด›แด€ษดแด›sแดส€แดแด‹แด€ แด€แด ส แด€แดษชษด’ษดส า“ษชแด›แดษดแด…ส€แด€ษดแด€ ษชส€แด‡แด แด แด‡สœษชแด แด€แด ส แด›แด€ษดแด›sแด€สœแด€ แด‡แด›แด แดแด€แด…แด€ษขแด€sษชแด‹แด€ส€แด€. แด€ษดษชsแด€ษด’ษดส า“ษชแด‹แด€แดส™แด€ษดแด€ษดแด€ ษดแด€แดแด˜ษชsแด‡สœแด ษดส แดแด€สœแด€ ษชแดขส แด€แดขส ษดแด€ษดแด…ส€ษชแด›ส€แด€ ษดส แด€ษดแด…ส€แด แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด›แด€ษดส สœแด แด€แดขส ษชส€แด‡แด ษดส า“แด€ส€แด ษดแด sแด€แด…ส ษดแด€ษดแด€แด า“แด€ษดแด€แดส™แด€ส€แด€ษดแด€ แด›แด€แดษชษด’ษดส แด€ษดแด€ส€แด€ษด’ษชส€แด‡แด า“แด€ส€ษชแด›ส€แด€ ส€แด‡สœแด‡แด›ส€แด€ แดษชsส แด€แดขส แดแด€ษดแด‡ส€แด€ษดแด€ ษดส ษดแดsส.

Posted by - octobre 17, 2024 0
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny ยซย Journรฉe Internationale des Femmes Ruralesย ยป (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy…