Ny alakamisy faha 3 ny volana Octobre no nigadona teto Menabe Ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tร nana, Ramatoa Viviane DEWA nijery ifotony ireo tolotra ara-pizahan-tany sy vokatry ny Asa tร nana tato Menabe mba afahana mijery ireo fomba entina ampiroborobohana ny resaka fizahan-tany sy Asa tร nana aty aminโny faritra Menabe ka tonga nitsena azy taminโizany ireo solontenam-panjakana ato Menabe izay notarihinโny Prefet anโny Morondava sy ny talem-paritry ny fizahan-tany sy ny Asa tร nana ato Menabe notrononโireo mpisehatra eo aminโny fizahan-tany sy ireo mpanao Asa tร nana .
Ny fitsidihana ny allรฉ de baobab sy fambolena baobab moa no nanombohany ny fitsidihana ary nitohyย tao Bekopaka nijerena ireo Tsinginโny Bemaraha izay isanโny avokavoky ny fizahan-tany ato Menabe .
Nitohy teto Morondava taminโny fihaonana taminโireo mpandraharaha aminโny fizahan-tany sy ireo mpanao Asa tร nana moa ny fotoana androany alahady faha enina ny volana octobre tao aminโny centre Eco-tourisme Menabeย moa ny fitsidihana izay nataony taty Menabe ka nivoitra taminโizany fa ho jerena manaokana ireo manao ezaka aminโny fampiroboroboana ny fizahan-tany sy ny Asa tร nana tanana ato Menabe ย ary nanome torimarika ireo mpisehatra rehetra eo aminโny lafiny fizahan-tany sy Asa tร nana ato Menabe ny minisitra ka nambarany mazava fa tsy misy afa-tsy ny firaisankina sy fiaraha-mientana ny fampiroborobohana ny Asa tร nana sy fizahan-tany , betsaka ireo ezaka efa iarahan-ireo mpandraharahasy ny fanjakana manatanteraka fa fanamafisana sisa no atao hoy hatrany ramatoa minisitra ary hiezaka izy ny hitady lalam-barotra sy mpiara-miombonantoka amin-ireo mpanao asa tanana ato Menabeย .
Nilaza moa ny talemparitry ny fizahan-tany sy ny Asa tร nana tanana ato Menabe fa hotohizana aminโny andro maneran-tany aminโny fizahan-tany ny fifam-pidinihana aminโireo mpisehatra rehetra mba ho hanamafisana ireo hafatra sy vina nampetraky ramatoa minisitra .
Isany olana zakainโireo mpandraharaha eo aminโny resaka fisahn-tany sy ny Asa tร nana moa ny dรฉlestage saingy ny nahagaga dia tsy voaresaka mintsy nandritran-ny fihaonana ary tsy nisy sahy nilaza koa ireo mpanatrika , raha efa milamina tanteraka kosa ny fitandroana ny filaminana izay nisaoran-dramatoa minisitra sy ireo mpisehatra rehetra ny tomponโandraikitry ny filamianana izay tarihinโny OMC ato Menabe
Nangononย โi RA PA