πŒπˆπ“π’πˆπƒπˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ„ππ€ππ„ 𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ™π€π‡π€π-π“π€ππ˜ π’π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀

13 0

Tonga nanao fitsidihana ofisialy ato amin’ny faritra Menabe ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, Ramatoa VOLOLONIAINA Lucie (fantatra amin’ny anarana Lily Rafaralahy), ny alahady 12 Aprily 2026. Delegasionina marolafy no niaraka taminy nandritra izao iraka izao.

Araka ny fanazavana azo, dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny taom-pizahantany 2026 ity fitsidihana ity. Tanjona amin’izany ny hanomezana toromarika ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana, mba hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ireo mpizahan-tany, ary koa hijerena mivantana ireo olana mbola sedraina eny ifotony.

Ny Centre eco-tourisme Menabe no nanombohan’ny fandaharam-potoana, izay nahitana ny fanamafisan’ny ministera ny fahavononany hanohana ity ivon-toerana ity, indrindra eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ara-barotra.

Taorian’izay dia nisy fihaonana teo amin’ny delegasionina tarihin’ny minisitra sy ireo mpandraharaha amin’ny fizahan-tany sy asa tanana avy amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Nandritra izany no nanamafisan’ireo mpisehatra fa milamina tanteraka ny resaka fandriam-pahalemana ato Menabe, sady nanao antso avo amin’ny fanjakana momba ireo fanamby mbola misy, indrindra ny olan’ny lalana mankany amin’ny Tsingy de Bemaraha.

Ho setrin’izany, nanambara ny minisitra fa anton-diany ny hijery vahaolana maharitra amin’ireo olana miseho eny ifotony, mba hanamafisana ny firoboroboan’ny fizahan-tany ao amin’ny faritra.

Hitohy any amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina ny fitsidihana, araka ny fandaharam-potoana napetraka.

Marihina fa niaraka nanotrona ity fitsidihana ity ny lehiben’ny faritra Menabe, ireo tompon’andraikitry ny filaminana, ary ireo mpandraharaha isan-tsokajiny eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana ao an-toerana.
✍️RA PA

Related Post

𝐍𝐒𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐍𝐒𝐠𝐞𝐫 𝐒 π…π«πšπ§π­π¬πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ‘, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 π€πŸπ«π’π€πš

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝐍𝐒𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐍𝐒𝐠𝐞𝐫 𝐒 π…π«πšπ§π­π¬πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ‘, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 π€πŸπ«π’π€πš Nohavaozina taminy 11/14/2024 amin’ny…