π
πππππ πππππππππ – ππ¬π² π‘π¨ π¬ππ‘π’π«ππ§π π§π² ππ’π€ππ¦πππ§ππ§π ππ¦π’π§`π§π² πππ¦π¨π₯ππ―π¨π₯ππ§π π§π² π¬ππ¦π² π¦π©π’ππ§πππ«π π‘ππ§πππ«πππ«π π§π² πππ§π£π¨π§π
(Nisitraka fampitaovana mamaly filana amin`ny fiatrehana fianarana eny amin`ny anjery manontolo ny fikambanana)
β¦ Iankinan`ny fahombiazana amin`ny fanohizana fianarana amin`ny sehatra ambony toy ny anjery manontolo ny fiombonan`ny mpianatra amin`ny alalan`ny fikambanana iray. Isany malaza amin`ny firaisankina amin`ny samy mpianatra izay ny ππ΄π¨π¨π»π΄ (ππππππππππ`ππ π΄ππππππππ π¨ππππππππππ π¨πππππ π»ππππ`π π΄πππ
πππππππ) izay nijoro efa 20 taona mahery. Noho ny fifankatiavana misy amin`ny fikambanana ity dia tonga nanolotra fampitaovana mamaly filan`ny mpianatra amin`ny fiatrehana fianarana ho an`ny mpianatra zanaka Mandritsara mandranto fianarana ao amin`ny Oniversiten`i Mahajanga i Dr RAKOTONDRAZANDRY Jeannin Nicolas sy vadiny, ny zoma 21 Jona 2024 teo.
β¦Tsy ho sahirana ny fikambanana amin`ny famolavolana ny mpianatra hanatratra ny tanjona kendrena satria nisitraka : Ordinateur portable, Imprimante, Papier, Telephone Itel avy tamin`i Dr Jeannin Nicolas, (Enseignant vacataire anivon`ny fakiolten`ny Siansa ao amin`ny Oniversiten`i Mahajanga). Nizara tamin`ireo zanak`Androna koa izy ny ara-kevitra momba ny fametrahana tanjona amin`ny fianarana rantovina.
β¦Velompisaorana tanteraka ireo mpianatra satria voavaha ny olanβizy ireo eo aminβny lafiny ara-pitaovana ka ho fahombiazana no ho azo.
Tamparanana nirary soa sy nitsodrano ireo mpianatra izy mivady mba ho tafita aminβny tanjona iriny avy.