๐…๐ˆ๐‡๐€๐๐€๐‡๐€๐`๐๐˜ ๐•๐ˆ๐‡/๐’๐ˆ๐ƒ๐€ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€

22 0
๐…๐ˆ๐‡๐€๐๐€๐‡๐€๐`๐๐˜ ๐•๐ˆ๐‡/๐’๐ˆ๐ƒ๐€ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€ – ๐๐ข๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐š๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ๐ง๐š๐ง๐š๐จ๐ฏ๐š๐ง๐š ๐ญ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ž๐ฅ๐š๐›๐ž๐ฅ๐š๐ซ๐š๐ง~๐ค๐ž๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ฆ๐จ๐ฆ๐›๐š ๐ง๐ฒ ๐š๐๐ฒ ๐š๐ญ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐š๐ซ๐ž๐ญ๐ข-๐ฆ๐ข๐Ÿ๐ข๐ง๐๐ซ๐š ๐ข๐ญ๐ฒ
 
Mihanaka eto Mandritsara ny aretina VIH/Sida tato anatin`ny taona vitsivitsy. Manoloana izany nikarakara atrikasa nanasana tompon`andraikitra avy alin`ny Sampandraharaha maro misy eto Mandritsara ny Hopitaly Vaovao Mahafaly eto Mandritsara izay natao tao amin`ny Espace G, maneho ny fiarahamiasa amin’ny fanjakana indrindra eo amin`ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka izao hetsika izao. Tsy mitsaha-mitombo ny tranga azo avy tamin’ny fitiliana efa vita ka antony nanantontosana atrikasa izao. Andrasana amin`ireo lehiben`ny sampan-draharaharaha nasaina ireto ny hametraka drafitrasa hamongorana fihanahan`ny aretina ity satria tanjona 2030 ny hamoanana izan.
 
โœฆ30 tapitrisa mahery ny olona efa voany manerantany, 20 taona aty aoriana nitombo avy 3 heny izany eto Madagasikara, 7O.OOO ny olona voan`izany tamin taona lasa. Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny ady tao amin aretina ity.
 
Ho an`i Mandritsara manokana: 8% mitondra izany ny 2022, 3,57% ny 2023. Mitotaly 7101 ireo voatily ny taona 2023 ka 380 tamin’ireo no pozitifa. 14 hatramin`ny 36 taona ireo mitondra izany. 18 ny mitondra izany ho an`ny taona vaovao ity.
 
Isany mampihanaka aretina ity ankehitriny ny fanaoavana firaisana ara-nofo. Vahaolana isorohana azy ity ny fanaovana fitiliana, eo koa ny fampiasana ny kapoty. Ankoatra izay mijoro ao amin’ny HVMM ny departemanta mitaiza tanora (Club EPA ยซย Espoir Pour l’Avenirย ยป beazina amin’ny alalan’ny finoana ny tanora anatin’izany, ampahafantarina azy ireo koa ny vokadratsy azo avy amin’nny karazan’aretina ireo.
 
Nanatrika fotoana izao teto ny tale jeneralin`ny Hopitaly Vaovao Mahafaly Philippison Rindrasoa, ny lehiben`ny fari-piadidiam-pahasalamana eto Mandritsara, ary ireo manampahefana nasaina ; filohan`ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto an-toerana, lefitry ny lehiben`ny distrika.
 

Related Post

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…