โ
Mpandraharaha, mpandinika stratejika ary mpiaro ny diplaomasia ara-toekarena mahaleotena, Marco Rabenefitra dia anisanโireo tanora malagasy manana fijery lavitra sy finiavana hanova ny firenena.
Manana ny mari-pahaizana MBA manokana aminโny Lalร na ara-barotra sy ny Varotra iraisampirenena, izy dia isanโireo mpandraharaha tanora indrindra teto Madagasikara, indrindra teo aminโny sehatry ny fanondranana vokatra.
Taminโny taona 2019, taminโny fotoana mbola tsy nisy sahy niteny, Marco Rabenefitra no
isanโny voalohany nitsangana sy nitoroka ampahibemaso ny kolikoly tao aminโny Minisiteranโny varotra, indrindra teo aminโny fanomezana ยซ agrรฉmentsยป aminโny fanondranana lavanila sy
jirofo.
Io fijoroana tsy natahotra io anefa dia nampitondra faisana azy sy ny orinasany nandritra ny 6 taona mahery: tsy nomena ยซagrรฉments ยป mihitsy ny orinasany, notsaraina sy nojerena araketra imbetsaka taminโny vola tsy nisy fanazavana mazava, ary nahazo fandrahonana mivantana mihitsy ny ainy.
Noho izany, dia nisafidy ny hiala vonjimaika anโi Madagasikara izy mba hanohy fianarana sy
hanorina fiainana vaovao any Dubaรฏ. Tao, dia nanao ezaka vaovao izy taminโny sehatry ny
varotra sy ny fifanakalozana iraisam-pirenena, ary aminโizao fotoana izao dia mitarika tetikasa lehibe momba ny famatsiana rano fisotro madio ho anโny tany afrikana โ tetikasa mikendry ny hanatsara ny fiainanโny mponina any aminโny faritra ambanivohitra.
Na dia tafapetraka any ivelany aza, tsy adinony mihitsy i Madagasikara. Fitiavan-tanindrazana
lalina no nanosika azy hanoratra ilay boky mitondra ny lohateny hoe โVisions et Changements: Un Manifeste pour Madagascarโ, izay manolotra vahaolana ho aminโny fanarenana ny firenena aminโny sehatra telo lehibe: rariny, mangarahara ary diplaomasia ho anโny fampandrosoana.
Efa tany am-piandohana, Marco Rabenefitra dia isanโny olona nanohana sy nandray anjara
mavitrika taminโny tolona nataonโny โGen Zโ, hetsika mitaky ny fiovana hoanโny taranaka sy ny fitakiana rafitra vaovao ho anโi Madagasikara. Aminy, io hetsika io dia famantarana ny fahatsiarovan-tena nasionaly, izay tena ilaina aminโny fanovana marina sy maharitra.
โTsy mitady valifaty aho, fa mitady fanarenana. Mila diplaomasia mahaleotena, mahay ary
marim-pototra i Madagasikara โ diplaomasia izay miaro ny tombontsoanโny vahoaka, fa tsy ny anโireo vondronโolona manokana,โ hoy i Marco Rabenefitra.
Aminโizao fotoana izao, Marco Rabenefitra, manampahaizana manokana aminโny diplaomasia sy ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, dia vonona hiara-miasa aminโny fitondrana vaovao raha ilaina, mba handray anjara aminโny fanavaozana sy fanorenana indray anโi Madagasikara.
Ny fijoroany, feno herim-po sy fahendrena, dia manaporofo fa izy dia feonโny fiovana sy
fahazavana ho anโny firenena.
โ๏ธRA PA







