โฆFotoan-dehibe ho an`ny mpino Silamo manerantany ny ๐๐ข๐ ๐๐ฅ ๐
๐ข๐ญ๐ซ na ๐
๐๐ฆ๐๐ก๐๐ง๐. Anatra mibahana amin`ny fifehezan-tena no nampitaina tamin`ny mpino androany alarobia 10 aprily 2024, teny amin`ny Coup de Coeur Ampitatsimo. Nifamotoana tamin`ny toerana ity ireo mpino silamo maraina teo.
โขAnkoatra hetsika izao, hanasa mpitondra fanjakana sy sokajin`olona maro ny Mpino silamo eto Mandritsara ho fanamarihana famaranana ny iray volan`ny Ramadan izao. Fahasoavana ho azy ireo ny nahavitana dingana nandritra fotoana lavalava izay satria fanehoana voninahitra an`Allah na Andriamanitra izany, hoy ny mpitariky ny Mpino.
Fizarana sakafo maivana no namaranana ny teny Ampitantsimo, lanonana iarahana amin`ny solontenam-panjakana no mamarana ny hetsika.
Nangonin`i Claudio