Tonga nanao fitsidihana ofisialy ato aminโny faritra Menabe ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, Ramatoa VOLOLONIAINA Lucie (fantatra aminโny anarana Lily Rafaralahy), ny alahady 12 Aprily 2026. Delegasionina marolafy no niaraka taminy nandritra izao iraka izao.
Araka ny fanazavana azo, dia tafiditra ao anatinโny fanomanana ny taom-pizahantany 2026 ity fitsidihana ity. Tanjona aminโizany ny hanomezana toromarika ireo mpisehatra aminโny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana, mba hanatsarana ny kalitaonโny tolotra ho anโireo mpizahan-tany, ary koa hijerena mivantana ireo olana mbola sedraina eny ifotony.
Ny Centre eco-tourisme Menabe no nanombohanโny fandaharam-potoana, izay nahitana ny fanamafisanโny ministera ny fahavononany hanohana ity ivon-toerana ity, indrindra eo aminโny lafiny fampiroboroboana ara-barotra.
Taorianโizay dia nisy fihaonana teo aminโny delegasionina tarihinโny minisitra sy ireo mpandraharaha aminโny fizahan-tany sy asa tanana avy aminโny faritra Menabe sy Melaky. Nandritra izany no nanamafisanโireo mpisehatra fa milamina tanteraka ny resaka fandriam-pahalemana ato Menabe, sady nanao antso avo aminโny fanjakana momba ireo fanamby mbola misy, indrindra ny olanโny lalana mankany aminโny Tsingy de Bemaraha.
Ho setrinโizany, nanambara ny minisitra fa anton-diany ny hijery vahaolana maharitra aminโireo olana miseho eny ifotony, mba hanamafisana ny firoboroboanโny fizahan-tany ao aminโny faritra.
Hitohy any aminโny distrikanโi Belo sur Tsiribihina ny fitsidihana, araka ny fandaharam-potoana napetraka.
Marihina fa niaraka nanotrona ity fitsidihana ity ny lehibenโny faritra Menabe, ireo tomponโandraikitry ny filaminana, ary ireo mpandraharaha isan-tsokajiny eo aminโny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana ao an-toerana.
โ๏ธRA PA









































