πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ : πˆπ’π€ππ˜ πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€ π‡π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ 𝐏𝐀𝐑𝐂 π’πŽπ‹π€πˆπ‘π„

183 0

Ho fanatanterahana ny tetik`asam-panjakaa araka ireo ezaka tsy maintsy tratrarina dia isany distrika hisitraka parc solaire i Mandritsara. Hanampy tosika ny milina efa mihodina izao, ka hatao « hybride » Tafiditra anatin`ny 100 andro nambaran`ny filoha anatanterahana vina mifanaraka amin`ny andry telo napatraky ny filoha no atao. Androany alakamisy 22 febroary 2024, nidina tamin`ny toerana hananganana fotodrafitr`asa ny solontenam-panjakana eto Mandritsara, notarihan`by lehiben`ny distrika Velomaro L`Faustin, ny lehiben`ny Sampandraharam-panjakana miankina amin`ny fanjakana maro, sivily sy miaramila. Nanao fitsirihana ny toerana ny tompon`andraikitra avy amin`ny Jirama sy ny fananan-tany.

Indro kely tamin`ny fidinanana natao ity ny fanoheran`ireo milaza ho tompon`ny tany izay tsy manaiky ny hampiasana ny toerana noho izy ireo efa nanajary izany hatrizay. Veleran-tany 1 hektara sy sasany no ilaina ka mifanilika ireo manana tany manodidina faritra hametrahana fotodrafitrasa efa voafaritry ny teknisianina andro maro lasa. Tetsy ankilany, niroso tamin`ny fitsirahana ny tompon`andraikitra iraka manaokana ireto ka tontosa soamantsara ny asa natao na dia nisy aza ny fimenomenonana tamin`izy ireo. Ireto farany izay nilaza fa manana taratasy mazava « main levée » avy amin`ny fanjakana manome alalana ay ireo hampiasa ny tany satria an`ny fanjakana ny toerana.

Nangonin’i Claudio

Related Post

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - aoΓ»t 12, 2025 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’𝐈 πŒπˆπ€ππƒπ‘πˆπ•π€π™πŽ, π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ 𝐍𝐘 ππŽπ…πˆππŽπ…πˆπ’πˆπ‘π„πŽ πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π•π€π‹πŽ(πŸŽπŸ–) π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π“π€ππ€ππ˜ π€π•π€π‘π€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€ ππ€ππƒπ‘πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 𝟐𝟎 π“π€πŽππ€ πŒπ€π‡π„π‘π˜ Vita ny BAC…

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafanΒ Β»ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…