π…π„π’π“πˆπ•π€π‹ ππŽπ“π‘π˜ π€ππƒπˆπ‡π€ππ˜ 𝐅𝐀𝐇𝐀 π‘πŽπ€ ππŽπ’πŽπŠπ€π…π€ππ€ π“π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…πŽπŒππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ π€ππƒπ‘πŽπ€ππ˜

142 0

Nosokafana androany tamin’ny alalan’ny diabe (Carnaval) nianinga teo amin’ny vavahady hiditra ny tanana eo amin’ny Rasta ary niafara teo amin’ny ny village soa fahitse izay hanaovana ny kambary fanokafana festival Botry soa fahitse andiany faha roa eto Belo sur Mer izay nandraisan’ireo herivelona rehefa anjara . Hestika ara-kolontsaina sy aram-panatanjahan-tena maro arahin’ny jotso botry sy cours lakana sy botry no hatrehin’ireo mponin’ny Belo sur Mer sy ireo vahiny maro be tonga aty an-toerana. Zava-dehibe ho an’ny kaominina ambanivohitra Belo sur Mer ity hetsika ity hoy ny ben’ny tanana nandritrin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny satria sady fampafantarana ny kaominina amin’izao tontolo izao no mitondra fampandrosoana ihany koa eo amin’ny lafiny toe-karena , nilaza kosa ny talemparitry ny fizahan-tany ato Menabe fa hery lehibe ho an’ny fizahan-tany ato Menabe indrindra fa Belo sur Mer ny fisian’izao hetsika izao ka isaorana ny mpikarakara hoy izy ary entanina ny rehetra mba hiara hientana satria dia tsy mitsahatra mitombo ny mpizahan-tany ato Menabe nohon’ny firaisakinan’ny rehetra, notoloran’ny fisaorana manokana moa ny mpitandron’ny filaminana sy ireo mpanao serasera rehetra indrindra fa ny mpanao gazety izay mampafantatra ireo tolotra rehetra amin’ny fizahan-tany ato Menabe. Tsy hifarana moa ny hetsika raha tsy ny alahady 25 Aogositra izao.

✍️RA PA

Related Post

Posted by - fΓ©vrier 8, 2025 0
Fitokanana ny Biraon’ny Fikambanana AVOMITIA ao amin’ny Distrikan’i Lalangina – Faritra Matsiatra Ambony Notanterahina tamin’ny fomba malagasy tanteraka androany 7…

Laguna Beach Morondava

Posted by - novembre 18, 2023 0
LAGUNA BEACH – Morondava – Madagascar (CΓ΄te Sud-Ouest) SituΓ© Γ  Morondava, Γ  600 mΓ¨tres de la plage, le LAGUNA BEACH…

𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ | 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚

Posted by - mars 24, 2025 0
𝐑𝐋 ππ‘πŽπƒ/ π€π’π’πŽπ‚πˆπ€π“πˆπŽπ π’π€π•πˆπŠπ€ – 23 𝑴𝒂𝒓𝒔 2025, π‘²π’Šπ’‚π’π’‹π’‚π’’π’π’š π‘Ίπ’‚π’—π’Šπ’Œπ’‚ π‘¨π’Žπ’ƒπ’π’”π’Šπ’•π’“π’‚ 𝑡𝑢𝑺𝑢𝑲𝑨𝑭𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑻𝑨𝑢𝑴-𝑷𝑰𝑳𝑨𝑳𝑨𝑢𝑽𝑨𝑡𝑨 𝑺𝑨𝑽𝑰𝑲𝑨 2025 𝑨𝑻𝒀 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑴𝑢𝑹𝑢𝑡’𝑰…