𝐄𝐅𝐀 π€ππ“πˆπ“π‘π€ π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ π€ππƒπ‘πˆπ-π‰πˆπ‘πŽ π„π“πŽ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€

208 0
𝐄𝐅𝐀 π€ππ“πˆπ“π‘π€ π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ π€ππƒπ‘πˆπ-π‰πˆπ‘πŽ π„π“πŽ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€, πŒπ€π‘πŽ 𝐍𝐎 ππŽππŽππ†πŽπ‹πŽ πŠπ€ π€π‡πˆπ€ππ€ π‡πˆπ“π„π‘π€πŠπ€ π‹πŽπ™π€ π‡πŽπ€πβ€™ππ˜ πŒππŽππˆππ€
 
πŸ“Œ Mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ireo Mponina ety Kaominina Sabotsy Namehana, noho ireo andrin-jiro efa miha antitra sy bobongolo ka ahiana hitera-doza hoan’ny vahoaka ety amin’ny Fokontany, hoy ny fitarainan’ny Mponina ety amin’ny FKT Tsarafara.
 
πŸ“Œ Ny ankabeazan’ny andrin-jiro ampiasain’ny Jirama ety mantsy dia mbola hazo avokoa, ary tsampa sy hita fa tena efa ela tsy nisy fanoloana ka manomboka tapaka. Noho izany dia mikirazorazo amin’ny tany ny tariby mpitondra herin’aratra, ka na dia zaza kely 5 taona aza dia hahatakatra hikasika azy. Noho izany dia tena hatahorana mafy hitera-doza.
 
πŸ“Œ Araka ny filazan’ny Mponina, dia efa nisy fampandrenesana ny Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mbarak’androany tsy misy valiny, kanefa rehefa noahtonina sy nanontaniana ny Tompon’andraikitry ny Jirama eto Sabotsy Namehana ihany, dia nilaza izy fa mbola tsy naharay fitarainana mihintsy hatramin’ny anio.
 
πŸ“Œ Raha resaka teknika tahaka izany, dia antsy tsy mahatapa-bilona izahay Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mila miantso ny laharana vert 457, antso maimaim-poana tsy handoavam-bola, ka ny foibe no maniraka anay, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny avy eo amin’ny Jirama.
 
πŸ“Œ Very fanahy mbola velona ny Mponina manoloana an’ity loza mitatao ity, ka dia manao antso vonjy amin’izay tompon’andraaikitra tandrify azy.
 
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš

Posted by - janvier 16, 2024 0
π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…