ZON’NY ANKIZY : MIROSO HATRANY AMIN’NY DINGANA SAMIHAFA HO FAMPANAJANA IZANY IREO MPISEHATRA

160 0

🔴 Mbola maro ireo zon’ny ankizy tsy mbola voahaja eto amintsika isan’izany eo amin’ny lafiny fampianarana izay mbola betsaka ireo tsy tafiditra an_tsekoly.

🔴 Eo ihany koa ny eo amin’ny lafiny fahasalamana ary indrindra ny endrika herisetra amin’ny endriny maro samihafa mbola mianjady amin’ny ankizy any anaty tambazotran_tserasera.

🔴 Betsaka ny ezaka efa natao ary mbola lavitra ny lalana hizorana ho fampanajana ny zon’ny ankizy indrindra fa ho antsika eto Madagasikara.

🔴 Nisolotena an’i Madagasikara nandritra ny fankalazana ny faha_10 taonan’ ny Groupe enfance izay ivondronan’ny fikambanana 19 miasa amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ahitana ny Ecpat France Madagascar i Ramatoakely Veronique RAHARIMALALA ka tany France nitondra ny tenin’ny ankizy malagasy .

🔴 Nandritra izany no nizarany ny zavamisy iainan’ireo ankizy malagasy ankehitriny manoloana ny mbola tsy fanajana ny zon’izy ireo ka nahafahana nanao fangatahana mba :

👉Hanampiana sy hanamafisana ny fandraisan’ny ankizy anjara ahafahan’ izy ireo mitorika.

👉Hanentanana tompon’ andraikitra mba ho entitra amin’ny fampiharana ny fepetra satria mirongatra ny fizahantany mamoafady amin’izao ka lasibatra ireo zazavavy malagasy.

👉Hampidirana eny anivon’ny sekoly ny taranja famakiana angano (milaza sy mampahafantatra bebe kokoa momba ny zon’ny ankizy) nosoratana niaraka tamin’ny Ecpat France .

👉Hampahafantarana ny ankizy ireo voka_dratsy ateraky ny fampiasana aterneto satria betsaka ny ankizy ao anatin’ izy ireny .

🔴Tombony ho an’i Madagasikara ary zava_dehibe ny nandefasantsika solotena tamin’ity faha_10 taonan’ny groupe enfance ity hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Ecpat France Fanirisoa RAKOTONIRINA satria nahafahana nanao haitaky iraisampirenena momba ny zon’ny ankizy ary nampiakatra ambony kokoa ny fangatahan’ny ankizy.

📝 M.Elvina

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…