ZON’NY ANKIZY : MIROSO HATRANY AMIN’NY DINGANA SAMIHAFA HO FAMPANAJANA IZANY IREO MPISEHATRA

133 0

🔴 Mbola maro ireo zon’ny ankizy tsy mbola voahaja eto amintsika isan’izany eo amin’ny lafiny fampianarana izay mbola betsaka ireo tsy tafiditra an_tsekoly.

🔴 Eo ihany koa ny eo amin’ny lafiny fahasalamana ary indrindra ny endrika herisetra amin’ny endriny maro samihafa mbola mianjady amin’ny ankizy any anaty tambazotran_tserasera.

🔴 Betsaka ny ezaka efa natao ary mbola lavitra ny lalana hizorana ho fampanajana ny zon’ny ankizy indrindra fa ho antsika eto Madagasikara.

🔴 Nisolotena an’i Madagasikara nandritra ny fankalazana ny faha_10 taonan’ ny Groupe enfance izay ivondronan’ny fikambanana 19 miasa amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ahitana ny Ecpat France Madagascar i Ramatoakely Veronique RAHARIMALALA ka tany France nitondra ny tenin’ny ankizy malagasy .

🔴 Nandritra izany no nizarany ny zavamisy iainan’ireo ankizy malagasy ankehitriny manoloana ny mbola tsy fanajana ny zon’izy ireo ka nahafahana nanao fangatahana mba :

👉Hanampiana sy hanamafisana ny fandraisan’ny ankizy anjara ahafahan’ izy ireo mitorika.

👉Hanentanana tompon’ andraikitra mba ho entitra amin’ny fampiharana ny fepetra satria mirongatra ny fizahantany mamoafady amin’izao ka lasibatra ireo zazavavy malagasy.

👉Hampidirana eny anivon’ny sekoly ny taranja famakiana angano (milaza sy mampahafantatra bebe kokoa momba ny zon’ny ankizy) nosoratana niaraka tamin’ny Ecpat France .

👉Hampahafantarana ny ankizy ireo voka_dratsy ateraky ny fampiasana aterneto satria betsaka ny ankizy ao anatin’ izy ireny .

🔴Tombony ho an’i Madagasikara ary zava_dehibe ny nandefasantsika solotena tamin’ity faha_10 taonan’ny groupe enfance ity hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Ecpat France Fanirisoa RAKOTONIRINA satria nahafahana nanao haitaky iraisampirenena momba ny zon’ny ankizy ary nampiakatra ambony kokoa ny fangatahan’ny ankizy.

📝 M.Elvina

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…