ZAHAO NY NOSIKO: HAMPIROBOROBOANA NY FIZAHANTANY AMBANIVOHITRA.

75 0
Matetika no tsy dia voaresaka sy tsy misongadina firy ny tontolo ambanivohitra eo amin’ny sehatry ny fizahantany kanefa manana ny mampiavaka azy raha tsy ilaza toy ny rivotra , ny sakafo, ny manodidina ny fambolena sy ny fiompiana ary ny maro hafa.
Mbola azo trandrahana tsara ary miavaka kely amin’ny mahatra ahafahana mampiroborobo ny fizahantany ny ambanivohitra ary ahafahana manatratra miaraka amin’ny vina napetraka dia ny ahatongavan’ny mpizahantany 1 tapitrisa eto Madagasikara amin’ny 2030.
Ho fampahafantarana ireo tolotra sy vokatra ara-pizahantany any ambanivohitra indrindra no anton’ny foara ho fampiroboroboana ny fizahantany ambanivohitra.
Ho tontosaina ny 17 hatramin’ny 18 Aprily ho avy izao ny andiany voalohany; trano heva 30 mahery no handray anjara ary hanasongadina vokatra malagasy avokoa.
Akoatr’izay , hampifandray ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany ambanivohitra ity hetsika ity toy ireo mpanao asa tanana, mpamboly sy mpiompy.
Mbola manano-sarotra kosa anefa ny fanatanterahana hetsika any ambanivohitra ka antony hanatanterahana ny andiany voalohany eto Antananarivo amin’ity andiany voalohany ity hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ATM Consulting.
πŸ“ M.Elvina

Related Post

π‡π€π“π€πŽ π•π€πŠπŽπŠπ€ πŒπ„ππ„ππ‘π€ππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 𝐆𝐀DπŽππ€ π“π’π€ππˆπŠπ„.

Posted by - mars 4, 2024 0
Noraisin’ny Prefen’i Toliara SOLONDRAZA Arson Theodolin Lydore AdorΓ© ireo delegasionina avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy Kolotsaina izay notarihan’ny Tale jeneralin’ny…

𝐍𝐒𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐍𝐒𝐠𝐞𝐫 𝐒 π…π«πšπ§π­π¬πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ‘, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 π€πŸπ«π’π€πš

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝐍𝐒𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐞𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐍𝐒𝐠𝐞𝐫 𝐒 π…π«πšπ§π­π¬πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ‘, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐜𝐫𝐨𝐧 𝐚𝐧𝐲 π€πŸπ«π’π€πš Nohavaozina taminy 11/14/2024 amin’ny…