Voapetraka tetsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany etsy Anosy, ny fitoriana ny G-SIS sy ny FIGN,

28 0
Voapetraka tetsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany etsy Anosy, ny fitoriana ny G-SIS sy ny FIGN, taorian’ireo trangana herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety, nanomboka ny 25 septambra hatramin’ny 30 septambra 2025, nandritra ny fihetsiketsehana niseho tamina toerana maro teto Madagasikara.
Fitoriana natao tamin’ny alalan’ny Ordre des Journalistes de Madagascar , iarahana amin’ireo fikambanana 13 ivondronan’ny mpanao gazety : CRIMAD, Association des Femmes Journalistes de Madagascar , CJD, AJE, SORAKANTO, AJJE, Remapsen Mada, Union des Journalistes Sportifs de Madagascar , CHANUT MADA, JOBA – Mpanao Gazety Basketteuses , J.B.C , APPEL, FMGKRIMA.
Nandritra ny fametrahana ity fitoriana ity dia nanome tànana ny mpanao gazety ireo mpisolovava ao amin’ny « Pool d’avocats bénévoles » Gen-Z, izay manome tànana maimaimpoana ireo mila fanohanana ara-pitsarana, ivondronana mpisolovava 15 mianadahy, miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara.
Tsy mijanona amin’ny fitoriana fotsiny ihany ny hetsiky ny mpanao gazety eto Madagasikara:
🔴 𝐌𝐢𝐭𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨: a𝐭𝐚𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚;
🔴 𝐌𝐢𝐭𝐚𝐤𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐥𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐢𝐛𝐞𝐦𝐚𝐬𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐆-𝐒𝐈𝐒 𝐬𝐲 𝐅𝐈𝐆𝐍;
🔴 𝐌𝐢𝐭𝐚𝐤𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐚  » 𝐥𝐞𝐭𝐭𝐫𝐞 𝐝’𝐞𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 » 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧-𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐟𝐚.
Ady iraisana amin’ireo mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy izao, hanoherana ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety. Manentana ny mpanao gazety haneho hatrany ny maha-matihanina anatin’ny fanatanterahana ny asa.
« 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐦𝐚𝐭𝐢𝐡𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚, 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 ».

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…