VCD Piraty 5 000 sy Boky Hosoka Nodoran’ny Manampahefana tao Antehiroka

59 0
Antehiroka — VCD mirakitra horonan-tsary piraty miisa 5 000, boky sandoka 15, ary fitaovan-tserasera ampiasaina amin’ny fanaovana kopia an-tsokosoko no nodoran’ny manampahefana tao amin’ny fokontany Morondava, Kaominina Antehiroka. Ireo entana hosoka ireo dia hita sy nosavaina teny Ambodin’Isotry, Anosibe, ary Andravohangy, toerana efa fantatra hatry ny ela amin’ny fiparitahan’ny kapila mangirana sandoka.
Araka ny fanazavana avy amin’ny manampahefana eo an-toerana, ahitana andian’olona efa za-drahona amin’ny asa fanontana sy fizarana ireo kapila hosoka ireo — fantatra amin’ny fiteny andavanandro hoe « Mpanao Piraty » izay mampiditra am-pielezana vokatra tsy ara-dalàna eny amin’ny tsena sy eny amoron-dalana.
Notsipihin’ny Brigade anti-pirate fa hatramin’izao dia tsy mbola nisy fahazoan-dalana ofisialy navoaka ho an’ireo mpivarotra hira sy horonan-tsary amin’ny toerana ampahibemaso. Voaheloky ny lalàna araka izany ny fivarotana, ny fiparitahana ary ny fitadiavam-bola amin’ny vokatra noforonin’olona hafa tsy nahazoana alalana mivantana.
Nilaza hatrany ny tompon’andraikitra fa natao hamehezana sy hanamafisana ny ady amin’ny hosoka no sady hiarovana ny zon’ny mpamorona sy ny tontolo ara-kolontsaina eto Madagasikara izao hetsika fandravana sy fandorana ireo vokatra sandoka izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…