VCD Piraty 5 000 sy Boky Hosoka Nodoran’ny Manampahefana tao Antehiroka

90 0
Antehiroka — VCD mirakitra horonan-tsary piraty miisa 5 000, boky sandoka 15, ary fitaovan-tserasera ampiasaina amin’ny fanaovana kopia an-tsokosoko no nodoran’ny manampahefana tao amin’ny fokontany Morondava, Kaominina Antehiroka. Ireo entana hosoka ireo dia hita sy nosavaina teny Ambodin’Isotry, Anosibe, ary Andravohangy, toerana efa fantatra hatry ny ela amin’ny fiparitahan’ny kapila mangirana sandoka.
Araka ny fanazavana avy amin’ny manampahefana eo an-toerana, ahitana andian’olona efa za-drahona amin’ny asa fanontana sy fizarana ireo kapila hosoka ireo — fantatra amin’ny fiteny andavanandro hoe « Mpanao Piraty » izay mampiditra am-pielezana vokatra tsy ara-dalàna eny amin’ny tsena sy eny amoron-dalana.
Notsipihin’ny Brigade anti-pirate fa hatramin’izao dia tsy mbola nisy fahazoan-dalana ofisialy navoaka ho an’ireo mpivarotra hira sy horonan-tsary amin’ny toerana ampahibemaso. Voaheloky ny lalàna araka izany ny fivarotana, ny fiparitahana ary ny fitadiavam-bola amin’ny vokatra noforonin’olona hafa tsy nahazoana alalana mivantana.
Nilaza hatrany ny tompon’andraikitra fa natao hamehezana sy hanamafisana ny ady amin’ny hosoka no sady hiarovana ny zon’ny mpamorona sy ny tontolo ara-kolontsaina eto Madagasikara izao hetsika fandravana sy fandorana ireo vokatra sandoka izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…