π…πšπ«π’π­π«πš π•πšπ€π’π§πšπ§π€πšπ«πšπ­π«πš. πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈. 𝐍𝐨𝐫𝐚𝐒𝐬𝐒𝐦- 𝐩𝐨𝐭𝐬𝐒𝐧𝐲 𝐒π₯𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐑𝐚𝐯𝐚𝐧𝐨𝐧- 𝐝𝐨𝐳𝐚 𝐧𝐚𝐑𝐚𝐟𝐚𝐭𝐲 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚.

109 0
Antso avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ilay tovolahy, namono nahafaty ramatoa iray tetsy Mahazoarivo eto Antsirabe Ambonivohitra.
Raha tsiahivina ny zava- nisy, namoy ny ainy tamin’ny 15 septambra 2024 ny ramatoa iray 61 taona. Nisy namono tao amin’ny trano fonenany Mahazoarivo Lot 1116 L 105.
Noahiahiana ny tovolahy niara- niasa taminy taloha, taorian’ny fanadihadiana. Raha ny fantatra dia nitsoaka izy sy ny Ray aman- dReniny, nisy olona nampandre ny polisy ka nosamborina teny Avaratsena ny reniny ary nampidirina am- ponja Vonjy maika tamin’ny 25 novambra 2024. Tsy natorony anefa ny toerana misy ity zanany ahiahiana ity.
Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy tamin’ny 17 mey lasa teo. Milaza fa miasa amin’ny Β Β» Karaoké » any Betafo ilay ahiahiana karohina.
Tra- tehaka tany an- toerana Γ ry i Heritiana tovolahy namono tamin’ny fomba feno habibiana sy nanolana ilay Ramatoa, nosamborin’ny polisy avy hatrany. Niaiky ny heloka vitany izy taorian’ny famotorana azy, natolotra ny Fampanoavana tamin’ny 21 mey 2025.
Loharanom- baovao: Polisim- pirenena Faritra Vakinankaratra.
Nangonin’i Haja.

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…