Natomboka ny alatsinainy 26 febroary 2024 ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana (coupe et couture), izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitra, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity . Rehefa vita ny fiofanana dia hizarana “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, ireo vehivavy mpiofana ireo mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany.
Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenenana, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA.
Zava-dehibe ho an’ireo vehivavy mamelo-tena irery izany, satria sady hivoatra ny fari-piainan’izy ireo no ho afaka amin’ny fiakinan-doha amin’ny hafa izy ireo, ka tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina intsony.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy