Toamasina: Tranom-pivarotana miisa 72 ao Bazary kely no may kilan’ny afo ny alin’ny 20 Aprily 2025 tamin’ny 12 ora alina.

66 0

Toamasina: Tranom-pivarotana miisa 72 ao Bazary kely no may kilan’ny afo ny alin’ny 20 Aprily 2025 tamin’ny 12 ora alina.

🔹 Efa manao fanadihadiana mahakasika ny antony nahatonga ny firehetana ny Mpitandro ny Filaminana.

🔹Ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina ALAIN Andriafanomezantsoa ,dia tonga tao antoerana ny alina ihany,nanome toromarika ny Mpamonjy voina ka nahafahana namehy ny afo. Hatramin’ny maraina teo,dia maro ireo Tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Commune Urbaine de Toamasina,nijery ny fomba ahafahana manarina haingana ny tsena may araka ny toromarika avy amin’ny Ben’ny Tanana.

🔹Goavana ny fahavoazana satria betsaka ny entam-barotra kikan’ny afo,ary miteraka fatiantoka goavana ho an’ny Tompon’ireo fivarotana may izany.

🔹Mankahery an’ireo rehetra niharam-boina.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐕𝐎𝐍𝐉𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐏𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…