TOAMASINA : Tafatsangana ny « Cellule de contrôle interne et de la restauration des disciplines « 

325 0
TOAMASINA : Tafatsangana ny « Cellule de contrôle interne et de la restauration des disciplines  » eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana.
 
📌 Izy io dia rafitra iray najoro,mba hanentana ny tsirairay mba ho mendrika ara-pitondrantena eo ampanatanterahana ny asany amin’ny ankapobeny,ho fisorohana ny kolikoly.
Voakasik’izany ihany koa ireo Pôlisy.
 
📌 Nanatanteraka fidinana ifotony voalohany ny Pôlisy ao anatin’io rafitra io omaly faha 9 febroary 2024 ,ka natombok’izy ireo teo amin’ny Barrage F.I.P Analamalotra izany.
 
📌 Nanentana ireo Pôlisy sy ny mpamily izy ireo mba hampitsahatra ny fihetsika izay miendrika kolikoly, satria antony mampirongatra ny fandikandalàna eny amin’ny lalam-pirenena izany.
 
📌 Marihina moa fa nisy mpamily 50 nosavaina, ka ny 41 tamin’ireo no fantatra fa tsy nanara-dalàna.
 

🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
💥 Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…