TOAMASINA : Tafatsangana ny « Cellule de contrôle interne et de la restauration des disciplines « 

266 0
TOAMASINA : Tafatsangana ny « Cellule de contrôle interne et de la restauration des disciplines  » eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana.
 
📌 Izy io dia rafitra iray najoro,mba hanentana ny tsirairay mba ho mendrika ara-pitondrantena eo ampanatanterahana ny asany amin’ny ankapobeny,ho fisorohana ny kolikoly.
Voakasik’izany ihany koa ireo Pôlisy.
 
📌 Nanatanteraka fidinana ifotony voalohany ny Pôlisy ao anatin’io rafitra io omaly faha 9 febroary 2024 ,ka natombok’izy ireo teo amin’ny Barrage F.I.P Analamalotra izany.
 
📌 Nanentana ireo Pôlisy sy ny mpamily izy ireo mba hampitsahatra ny fihetsika izay miendrika kolikoly, satria antony mampirongatra ny fandikandalàna eny amin’ny lalam-pirenena izany.
 
📌 Marihina moa fa nisy mpamily 50 nosavaina, ka ny 41 tamin’ireo no fantatra fa tsy nanara-dalàna.
 

🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…