TOAKA GASY NEKENA NY HIVAROTANA AZY RAHA TOA KA …

172 0
Nolanian’ny Solombavambahoaka nandritra ny fivoriana azon’ny rehetra natrehina izay natao androany 21 Mey 2025 tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza,tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny Tolo-dalàna laharana faha-001-2025/PL momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara.
🔹Dingana lehibe ho fanomezan-danja an’ireo Tantsaha mpamokatra toaka gasy izany.Ny Toaka Gasy mantsy dia tsy afa-misaraka amin’ny fomba amam-panao na ankafaliana na ankaratsiana.
🔹Ny Solombavambahoaka voafidy tao Toamasina faharoa Atoa ROILAHY JONAH ,dia efa ela no nirary ny hahatongavana amin’izao dingana izao,satria anisan’ny ahitàna Mpamokatra Toaka Gasy Betsaka ny ao amin’ny Distrikan’ny Toamasina Faharoa.
🔹Mbola handalo eo anivon’ny Antenimieran-doholona anefa ity Tolo-dalàna ity ka andrasana ny ho vokatr’izany.

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…