π€πŒππŽπ•πŽπŒππ„ (π€ππƒπ‘πŽπ˜) | π€π“π‘πˆπŠπ€π’π€ π…π€πŒππ€π‡π€π…π€ππ“π€π‘π€ππ€ 𝐙𝐀𝐕𝐀-ππˆπ“π€πβ€™ππ˜ π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ π€π…π€π…πˆ-𝐒𝐔𝐃 – π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€ππŽΜ‚π’π˜ π’π˜ π€ππƒπ‘πŽπ˜

175 0
Naneho ny zava-bita sy ny vokatry ny asa nataony ny tetikasa AFAFI-SUD izay tetikasanan’ny fitondram-panjakana vatsian’ny vondrona Eropeanina vola.
Nandritra ity atrikasa ity dia nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny asa vita rehetra, ny fitaovana sy ireo kojakoja ilaina, ny paikady napetraka hanamafisana ny faharetan’ny asa vita, ny fanolorana ireo antontan-taratasy sy tahirin-kevitra ho an’ny rafitra sy andrim-panjakana ary ireo sampandraharaha ara-teknika (STD) sy ny vondrombahoakam-paritra (CTD).
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity ny Governoran’ny Faritra AnΓ΄sy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, niaraka tamin’ny:
– Ny Governoran’ny Faritra Androy,
– Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektiora nisolotena an’andriamatoa lehiben’ny fileovan’ny Tolagnaro
– Ny solontenan’Andriamatoa Tale ny BACE,
– Ny Tale isam-paritra amin’ny Minisiteran’ny Sampandraharaha Teknika ary ny solontenan’ireo Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

πŒπˆπ‰π€π‹π˜ πˆπ™π€π‡π€π˜ π…πŽπ…πŽ πŒπ€πˆπŒππŽ π„π“πŽ π€ππŠπˆπ‹πˆπŒπ€π‘πŽπ•π€π‡π€π“π’π„

Posted by - aoΓ»t 12, 2025 0
Io no sorabaventy mirantiranty nataon’ny olona manodidina ny trano fitehirizan’entana ao amin’ny Fokontany Ankilimarovahatse izay fametrahan’ny PAM entana. Nambaran’ireo mponina…

Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

Posted by - novembre 12, 2023 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.   Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana…

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ |π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧-π€π¨πŸπ’ππ’πšπ§β€™π’ 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…