TANORA MANAMPahaizana MIROSO AMIN’NY FANOVANA : TERAKA NY VOVONANA TAFF MADA

15 0

Antananarivo — Nambaran’ny fomba ofisialy ny fitsanganany ny Vovonana TAFF Mada (Tanora Antoky ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana an’i Madagasikara), fikambanana iray mampivondrona tanora manampahaizana sy teknisianina avy amin’ny sehatra samihafa, mitondra vina vaovao ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Araka ny fanazavana nentin’ireo tompon’andraikitra, na dia efa nambara hatrany aza fa ny tanora no antoky ny ho avy, dia mbola vitsy ireo tena mahazo sehatra hanehoana ny fahaiza-manaony. Maro amin’ireo nahavita fianarana ambony no mbola miatrika fahasahiranana amin’ny fitadiavana asa, ary tsy dia tafiditra loatra amin’ny rafitra fitantanan-draharaham-panjakana na ny sehatra stratejika ho an’ny firenena.

Manoloana izany zava-misy izany, dia natsangana ny TAFF Mada ho sehatra iray hanomezana lanja ny traikefa sy ny fahaizan’ireo manampahaizana malagasy, sady hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana. Tanjona ny hanolotra vahaolana azo tsapain-tanana sy hanohana ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny fahaiza-manao teknika sy siantifika ananan’ireo mpikambana.

Ahitana solontena avy amin’ny sehatra maro ny vovonana, toy ny fitsaboana, fampianarana, fambolena sy fiompiana, angovo, harena an-kibon’ny tany, toekarena, fitantanana, asa vaventy, asa fanaovan-gazety, fizahantany, lalàna ary ny siansa sosialy. Efa miparitaka any ivelany, indrindra any Eoropa sy Amerika, ary eto an-toerana amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara ihany koa ny tambajotra TAFF Mada, izay voalaza fa an-dalam-piroboroboana.

Nanao antso ho an’ny tanora rehetra, na eto an-toerana na any ivelany, ny vovonana mba hanatevin-daharana azy ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana mpikambana, ary antenaina fa ho lasa hery manosika vaovao eo amin’ny fitantanana sy ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana.

Tanjona lehibe napetraky ny TAFF Mada ny tsy hijanona ho mpanolotsaina fotsiny, fa ho tena mpandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny vinan’asa sy ny politikam-panjakana, amin’ny finoana fa ny teknisianina no fototry ny famolavolana sy ny fanatanterahana politika mahomby.

Ny vovonana dia tarihin’i Dr Rasolovoninjatovo Mady, manampahaizana manokana amin’ny jeôfizika sy ny fitantanan-draharaha, izay mitondra ny vina hampifandray ny fahaiza-manao sy ny filàn’ny firenena ho amin’ny fampandrosoana maharitra.

Related Post