๐Œ๐๐Ž๐‹๐€ ๐“๐€๐™๐Ž๐๐ˆ๐๐€ ๐€๐Ž ๐๐”๐‘๐Š๐ˆ๐๐€ ๐…๐€๐’๐Ž ๐€๐Ž ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐ˆ๐€๐‘๐€๐Œ๐ˆ๐‹๐€๐โ€™๐๐˜ ๐๐ˆ๐†๐„๐‘๐ˆ๐€

62 0
Nizeria dia nanao fanambarana ofisialy fa mbola tazoninโ€™i Burkina Faso ireo miaramilany nogiazanโ€™ny manampahefana burkinabรจ, ary manomana fifampiraharahana ara-diplomatika izy ireo mba hangatahana am-pomba ofisialy ny famotsorana azy ireo sy ny famerenana ilay fiaramanidina nampiasaina taminโ€™ny fotoanโ€™androny
Niteraka resabe sy adihevitra manerana ny faritra ity raharaha ity, ary nanomboka hatrany am-boalohany dia efa naseho fa tsy misy lร lana hafa afa-tsy ny fifampiresahana mivantana ihany, satria tsy hivaly aminโ€™ny tsindry na fandrahonana mihitsy i Burkina Faso aminโ€™izao fotoana izao.
Efa nolazaina izany : ny fifanarahana sy ny diplomatie no hany vahaolana. Raha mbola mieritreritra izy ireo fa hisy vahaolana aminโ€™ny alalanโ€™ny fanehoana hery na tsindry ara-tafika, dia diso toerana. Tsy firenena mora ampitahorina i Burkina Faso, indrindra aminโ€™izao vanim-potoana ijoroanโ€™ny fitondrana aminโ€™ny tena fahaleovantenany izao, hoy hatrany ny Filoha Ibrahim Traorรฉ,
Nambarany tsy nihaotra fa tsy mitovy aminโ€™i Benin i Burkina Faso. Tsy manaiky fandrahonana, tsy mijoro aminโ€™ny tsindry ara-miaramila, ary tsy ampitahorinโ€™ny fisehoan-kery na inona na inona. Tsy misy fandrahonana ara-tafika hahatonga azy hihemotra.
๐—ก๐˜† ๐—ต๐—ฒ๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—•๐—ฒ๐—ป๐—ถ๐—ป ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ถ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐˜๐˜† ๐—•๐˜‚๐—ฟ๐—ธ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—™๐—ฎ๐˜€๐—ผ : ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ต๐—ผ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ผ, ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜†, ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜†.
Burkina Faso, raha ny marina, dia firenena natsangana teo ambony fototry ny fahamendrehana sy ny fahatsarana fitondran-tena. Raha misy zavatra anjakanโ€™ny vahoaka burkinabรจ dia ny fitiavan-tanindrazana tsy voavidy vola sy ny fahafoizan-tena rehefa miantso ny firenena. Tsy hoe fitiavan-kery, fa fitiavana mametraka anโ€™io firenena io ho tsy azo andairana aminโ€™ny tsindry.
Hita taratra izany aminโ€™ny feom-bahoaka, aminโ€™ny firaisankina, ary aminโ€™ny firindran’ny tafika, izay milaza mazava fa raha resaka fiandrianam-pirenena sy fanajana ny sisintany, dia tsy hiala aminโ€™ny toerany mihitsy ny Burkinabรจ.
Tsy hoe mankasitraka ny fisianโ€™ny ady na fifandonana ny vahoaka eto Burkina Faso , fa kosa tsy manaiky hitsabatsabahanโ€™ny hafa aminโ€™ny tany tsy azy.
Izay no antony lehibe aminโ€™ilay fianiananโ€™ny firenena hoe
ยซ ๐‹๐š ๐๐š๐ญ๐ซ๐ข๐ž ๐จ๐ฎ ๐ฅ๐š ๐ฆ๐จ๐ซ๐ญ, ๐ง๐จ๐ฎ๐ฌ ๐ฏ๐š๐ข๐ง๐œ๐ซ๐จ๐ง๐ฌ ยป
Feon’ny Demokrasia – Burkina Faso

Related Post