Toamasina: Nahatratra Mpangalatra Tuc-tuc sy mpampiasa CIN Sandoka ny Zandary

Posted by - janvier 26, 2024

  Ny Alatsinainy 22 Janoary 2024 no naharay antso avy amin’olona tsara sitra-po ny Zandary a fa misy Tuc2 iray navealan’olona roalahy tsy fantatra ao Maromagniry – Fkt TANANDAVA – Kamoninina Ambanivohitr’i Toamasina .   Efa nanomboka maraina be tokony tamin’ny 05 Ora sy sasany no efa TΓ©o Io tuc-tuc io ary efa tokony tamin’ny

Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana| Miady mafy amin’ny tsy fandriam-pahalemana

Posted by - janvier 24, 2024

πŸ“Œ Toamasina: Manohy ny fanatanterahana ny paik’ady ho fametrahana ny Fandriam-pahalemana maharitra ny PΓ΄lisim-pirenena,araka ny baiko hentitra avy amin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana. πŸ“Œ Nahitam-bokany ny hetsika manokana izay nataon’ireo PΓ΄lisy avy ao amin’ny Commissariat Central Toamasina, ka olona fito no voasambotra. πŸ“Œ Ny 6 amin’izy ireo dia nanao herisetra miharo fanendahana sy sinto-mahery tao

Toamasina | Ady tany ao Ambalamanasy Carreaux 2

Posted by - janvier 24, 2024

OLANA ARA-TANY: Anisan’ny vaovao nahoraka ny herinandro lasa teo ny raharaha ady tany ao Ambalamanasy Carreaux 2,izay ifanolanan’ny olona maromaro sy ny Tompon’ny Tany dia ireo mpandova..   πŸ“Œ Tany mirefy 53 hekitara ,miisa 50 ny mpandova fa olona telo no nahazo alalana ( Procuration) hikarakara ny raharaha mahakasika an’io tany io arakan’ny tapaky ny

Fokotany Tanamborozano mitambatra | Manambatra ny heriny ny Lehiben’ny FKT

Posted by - janvier 22, 2024

πŸ“Œ Fokotany Tanamborozano mitambatra: Manambatra ny heriny,mba hitondra fampandrosoana amin’ny fokotany izay iadidiany ireo Lehiben’ny fokotany.   πŸ“Œ Nampiseho ny fahavononana hiray hina sy hifanohana,ho fampandrosoana ny fokotany izay iadidian’izy ireo ny Filohan’ny Fokotany 6 ao Tanamborozano (Tanamborozano Plle 22/21,22,23,31,32,33).   πŸ“Œ Ny sabotsy teo no notanterahina tao amin’ny Espace Stella Maris ny lanonana ho

Fokotany Tanamborozano Plle 22/22 | nalana ireo fako manatsetsina ny lakan-drano

Posted by - janvier 22, 2024

  Β Β» Ny fanana toe-tsaina tia mandray andraikitra ,dia mamaha olana maro eo anivon’ny fiaraha-monina.Β Β» Hita taratra izany tamin’ny asa tagnamaro izay nataon’ireo vahoaka tao amin’ny fokotany voalaza etsy ambony izay iadidian’Atoa Herilala Randrianasolo.   Manoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’orana dia toerana maro no dobo-drano satria tsetsina nohon’ny fako,ny lakandrano. Nandray andraikitra izy

Antoko PΓ΄litika Hiarak’isika

Posted by - janvier 21, 2024

Ny sabotsy lasa teo,dia nisafidy ny nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo SΓ©minaristes ao amin’ny Grand Seminaire Analamalotra izy,ho fanombohana ny taom-piasany ho an’ity taona 2024 ity.   « Ny tanjona tamin’ity asa sΓ΄sialy izay nataon’ny Antoko Hiarak’Isika ity ,dia ho fampahatsiahivana ny rehetra fa mana-ndanja ny asa fanompoana an’Andriamanitra ka omena lanja manokana ireo Tanora

Toamasina: Noravain’ny Police avy ao amin’ny Commissariat Central Toamasina ny CLAN PIRAMIDE

Posted by - janvier 19, 2024

πŸ“Œ Toamasina: Noravain’ny Police avy ao amin’ny Commissariat Central Toamasina ny CLAN PIRAMIDE   πŸ“Œ Andian-jatovo 14 hatramin’ny 18 taona izy ireo,ary samy manana ny toerana ipetrahany. Mifanafika izy ireo ka lasa miteraka fitaintainana sy fikoron-tanana amin’ny fiaraha-monina. Mifaninana amina resaka vehivavy( miady Sipa) sady mifaninana amina hira (mpanao RAP ). Izay tsy mahazaka resy

Toamasina | Rehefa vita ny fanatsΓ rana ilay lalana eo akaikin’ny Baobab

Posted by - janvier 19, 2024

πŸ“Œ Toamasina: Rehefa vita ny fanatsΓ rana ilay lalana eo akaikin’ny Baobab,HΓ΄pitaly kely,dia natomboka androany indray ny fanampenana ilay lavaka eo akaikin’ny Commissariat Tanambao II.   πŸ“Œ Anisan’ny lalana be mpivezivezy ihany koa io lalana io eto amin’ity renivohitr’i Betsimisaraka ity   πŸ“Œ Na dia ratsy aza ny andro fa manohy ny asa hatrany ireo mpiasa

π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ | ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π•π€π‘π˜ π’πˆπŒππ€

Posted by - janvier 14, 2024

π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ | ππŽπƒπŽπ‘π€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π•π€π‘π˜ π’πˆπŒππ€   Notanterahina omaly tao Tanandava ny fandorana ireo vary simba ,izay hita tao amina Magazay iray ny herinandro lasa teo.   Tompon’andraikim-panjakana maro no nanatrika ny fandorana ireo vary ireo.   Nanomboka tamin’ny valo ora maraina hatramin’ny dimy ora hariva.   Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy

HAZAVANA HOAN’NY REHETRA | NAHAZO NY ANJARANY NY RENIVOHITR’I BETSIMISARAKA

Posted by - janvier 14, 2024

Io hariva io no nanantanterahanay avy ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Tananan’i Toamasina Renivohitra ilay Velirano faharoan’i Filohampirenena Andry Rajoelina dia ny « Hazavana hoan’ny rehetra.Β Β»   Niavaka kely ity takariva ity satria raha ny nahazatra hatramin’izay dia ny elakelantrano no niezahanay avy ao amin’ny minisitera sy