𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒππ€ππ€πŒππ˜ ππ€πŒπ€πƒπˆπŠπ€ πŒππ€πŒππˆπ€π’π€ π€π™π˜

Posted by - fΓ©vrier 9, 2024

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒππ€ππ€πŒππ˜ ππ€πŒπ€πƒπˆπŠπ€ πŒππ€πŒππˆπ€π’π€ π€π™π˜ (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚π₯𝐚𝐫𝐒𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐀𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐨𝐣𝐚𝐀𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 πšπ¦π›πšπ§π’π―π¨π‘π’π­π«πš 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray 18 taona, mpanampy tamina tokantrano iray eto Mandritsara no tra-tehaky ny polisim-pirenena rehefa namadika mpampiasa azy. Noraofiny avokoa ny kojakoja rehetra tao an-tokatrano rehefa lasa namonjy asa ny tompon-trano ny talata 06 febroary teo. Mpitaiza

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana zazavavy 11 taona teto Mandritsara ny alin`ny zoma 02 febroary teo. Mpamahana kisoa amina tokantrano nanolanany ankizy ity ny tenany, sendra tsy nisy olon-dehibe tao an-trano no nampihatra filany izy rehefa nahita ankizy vavy ity

ANDRONA MIVOATRA MANDRITSARA – MIJORO HANOME SEHATRA IVELOMAN’NY MPIKAMBANA

Posted by - fΓ©vrier 1, 2024

πŸ“Œ Manao ezaka lehibe hanomezana vahana ireo mpikambana ao aminy, ny Fikambanana Androna Mivoatra izay mijoro ao Mandritsara efa 10 taona. Misy ny fanetsiketsehana « redynamisationΒ Β» ny mpikambana ny amin`ny hanomezana sehatra amin’ny alalan’ny tosika momba ny fihariana ataon`ny mpikambana tsirairay. Satria tarigetra ny hananan’ny mpikambana fihariana mahavelona. πŸ“Œ Noho izany, hamafisina ny fametrahana tetikasa momba

« FANDRIAKA » asa tagnamaro mampiavaka ny foko Tsimihety.

Posted by - janvier 26, 2024

πŸ“Œ Azo lazaina koa hoe, fanomezan-tanana amin’ny asa atao ho an’ny mpiara-belona, itaomana ny mpiray tanana na Fikambanana, asa atao antsitra-po tsy misy tambiny. Tanterahina amin’ny karazana asa maro toa fananganana trano…   πŸ“Œ Kolontsaina manana ny maha izy azy satria mamelona ny firaisankina sy fihavanana amin’ny fiarahamonina ny Fandriaka. Nanatanteraka izany i Iavizaka dite

Mandritsara | Niakatra ny reniranon’i Mangarahara

Posted by - janvier 21, 2024

πŸ“Œ Mandritsara – Niakatra ny reniranon’i Mangarahara vokatry ny orambe mikija Trano maromaro amin’ny faritra iva ao Mandritsara no dibo-drano vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mangarahara sy ranon’i Maroamboka. πŸ“Œ Nikija nanomboka omaly sabotsy 20 janoary tolakandro ny orana ary tsy nitsahatra raha tsy androany alahady, 21 janoary tokony ho tamin’ny 1 ora teo. πŸ“Œ Niakatra avokoa ireo renirano

Fambolenkazo notanterahan’ny mpampianatra sy mpandraharaha ary ny mpianatra

Posted by - janvier 19, 2024

πŸ“Œ Fambolenkazo notanterahan’ny mpampianatra sy mpandraharaha ary ny mpianatra eny anivon’ny UFRSS Mandritsara, niarahana tamin’ny lehiben’ny distrika Velomaro L’Faustin sy Ben’ny tanana, Rasolofondradonga GΓ©rard teny amin’ny tokotanin’ny oniversite Antsoha.   πŸ“Œ Zanakazo 500 fototra novatsian’ny Graine de vie, no novolena androany alakamisy 18 janoary 2024 maraina. Araho an-tsary πŸ†” Nangonin’i Claudio

Lalam-pirenena faha-32 | adiny 10 mahery lany raha miainga avy ao Mandritsara

Posted by - janvier 17, 2024

πŸ“Œ Lalam-pirenena faha-32, mampifandray distrikan’i Mandritsara, Befandriana Avaratra ary Antsohihy. Adiny 10 mahery lany raha miainga avy ao Mandritsara hatreo amin’ny lalam-pirenena faha-6 hiditra Antsohihy. Mandany 24 ora ny fiara vaventy mpitondra entana vao afaka. πŸ“Œ Maniry ny hanamboarana lalana ity ny mponina ao amin’ny distrikan’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra satria ifaharan’ny velontenan’olona maro ny

π’π’π¦π›πšπ§’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐒𝐨-𝐝𝐫𝐒𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 π‚π’ππŸ 𝐚𝐨 π€π§π€π’πšπ›πž π’πšπ₯𝐨𝐑𝐲

Posted by - janvier 16, 2024

  Tsy ho afaka ampiasaina ny tobim-pahasalamana ao Ankiabe Salohy distrikan’i Mandritsara. Simba vokatry ny tafio-drivotra mahery nandalo ny alin’ny alatsinainy 15 janoary 2024 ny fotodrafitrasa. Tsy afaka andraisana marary intsony ny trano satria efa marefo noho ny fahanterany ary ahiana hihotsaka.   Hisy fiatraikany amin’ny mponina ao anatin’ny kaominina Ankiabe Salohy ny fahasambana misy

Mandritsara | Fikambanana Tanoran’i Mandritsara Tompon’andraikitra

Posted by - janvier 11, 2024

πŸ“Œ Fikambanana maro mahazo tombontsoa amin’ny asa soa ataon’ny Fikambanana Tanoran’i Mandritsara Tompon’andraikitra   πŸ“Œ Taona maro no nanaovan’ny Fikambanana Tanoran’i Mandritsara Tompon’andraikitra asa soa fanampiana ny mpiara-belona ao anatin’ny distrikan’i Mandritsara. Isany mpisitraka tombontsoa matetika ireo fikambanan’ny mpianatra zanaka Mandritsara anivon’ny anjery manontolo eto Madagasikara. Nifantoka tamin’ny fanampiana Fikambanana maro izany taty aoriana ka