SOKATRA 152 TRA-TAO 67 HA : VEHIVAVY NISANDOKA HO POLISY NOGADRINA

7 0
Antananarivo — Nivadika ho raharaha goavana ny fisamborana sokatra teny amin’ny faritra 67 Ha, ka nahatafidirana am-ponja vonjimaika vehivavy iray voalaza fa nisandoka ho polisy nandritra ny roa taona.
Araka ny loharanom-baovao, nosamborina ny 9 Aprily 2026 ity vehivavy ity, taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana. Izy dia voarohirohy mivantana tamin’ilay tranga nahatratrarana sokatra karazana Astrochelys radiata miisa 152, izay nafenina tao anaty valizy roa, hita tao anaty tokatrano iray teny amin’ny manodidina ny 67 Ha, ny alin’ny 30 Martsa 2026.
Nampiahiahy ny manam-pahefana ny fomba fiasa, ka nahatonga fanadihadiana lalina. Vokany, voasambotra ilay vehivavy izay voalaza fa efa ela no nisandoka ho mpitandro filaminana, mba hanamorana ny asa fanondranana sokatra an-tsokosoko.
Natolotra ny fampanoavana teo anivon’ny PAC ny 10 Aprily 2026 izy, ary naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany, miandry ny fitsarana azy.
Tsy voafetra amin’izany anefa ny raharaha. Fantatra fa misy tambajotra ahitana mpitandro filaminana sy mpiasam-panjakana hafa, ary koa teratany vahiny voarohirohy ao anatin’ity fanondranana tsy ara-dalàna ity. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana sy fanenjehana ireo voatonona.
Mampametra-panontaniana indray ny fahombiazan’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara ity tranga ity, indrindra fa ny amin’ny fiadiana amin’ny fanondranana biby arovana.
Nangonin’i Bevomaso
Sary MEED

Related Post