SEFO FOKONTANY: TOKONY HO FIDIANA AMIN’IZAY FA TSY TENDRENA INTSONY

253 0
🔴 Mijaly ny vahoaka noho ireo sefo fokontany tendrena izay tsy miaro ny tombontsoam-bahoaka fa miaro ny tombontsoany manokana ary mihinana sy manao tantely afa-drakotra ny haren »ny vahoaka fotsiny hoy ny filohan’ny antoko FIVOI nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy teny Imeritsiatosika ireo ben’ny tanàna miisa 52 azon’izy ireo nandritra ny fifidianana farany teo.
🔴 Ny sefo fokontany no solontenan’ny vahoaka eny ifotoana ka tokony izay olona tian’ny vahoaka sy atokisan’izy ireo no tokony apetraka sefo fokontany amin’ny alalan’ny fifidianana.
🔴 Mangataka ny hanatqnterahana ny fifidianana sefo fokontany arak’izany ny antoko FIVOI ary nanamafy fa tsy hisy fampandrosoana vanona eto raha tsy fidiana ny sefo fokontany.
🔴 Nahitsy ihany koa ity filohan’ny antoko FIVOI sady solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo ity nilaza fa masomboly tsy azo hakana taranaka ary tsy mety amin’ny toetany eto Madagasikara ny voly vary safiotra izay tetikasan’ny fitondrana ankehitriny fa manimba ny fambolena malagasy.
🔴 Ivon-toeram-pikarohana FOFIFA no tokony tohanana satria efa nanao fikarohana maro momba ny fambolem-bary fa raha tsy izay dia lasa iankin-doha hanafatra masomboly sy zezika any ivelany isika amin’ny fanapariahana io voly vary safiotra io.
📝 M.Elvina

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…