🔴Miasa aloha izao ary mamakafaka ny zavatra misy eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa amin’ny fivoahan’ny lisitr’ireo kandida ben’ny tanàna amin’ny fomba ofisialy amin’ny 19 septambra ho avy izao isika mahita azy hoy ny PDS ny kaominina Antananarivo renivohitra Harilala RAMANANTSOA raha namaly ny fanontaniana momba ny mety ho filatsahany ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra na tsia nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly.
🔴Namafisiny fa raha notendrena PDS ny tenany dia nanaiky ary te hanome ny anjara biriky ho fanatsarana sy fandrindrana ny tanàna ka miasa aloha izao ary mametraka fanamby ny tenany sy ireo mpiara_miasa aminy hitondra fanovana eto amin’ny CUA na dia fotoana fohy azy no ipetrahany amin’izany toerana izany.
🔴Mifototra amin’ny fanatsarana ny tanàna, ny fampanjakana ny fandriam_pahalemana, ny fanatsarana ny fifamezivezena an_tanàn_dehibe ireo no fandaharan’asa ho tanterahan’ity PDS vaovao ity .
🔴Vinan-dRamatoa Harilala RAMANANTSOA ihany koa ny hametraka fitondrana tsara tantana indrindra amin’ny lafiny ara-bola, ny fanatsarana sy fampitomboana ny fidiram-bolan’ny Kaomina.
📝M.Elvina