NOSOKAFANA ANDROANY NY TATO AMIN’NY FJKM MAHAGAGA MORONDAVA NY ZAIKABE FAHA IX SAMPATI

275 0

Ny synodam-paritany faha 36 fahazavana atsimo andrefana , FJKM Mahagaga eto Morondava no mampiatrano ny zaikabe faha 9 ny sampana mpanazava sy Tily eto Madagasika izay ahitana ireo solon-tena avy amin’ny synodam-paritany 38 ; ny lohahevitra ho dinihina moa dia ny hoe « Aoka hirehitra ny jironareo » izay nalaina tao amin’ny Lioka 12 : 35

Nanomboka androany moa ny fivoriana ary ny tsy hifarana raha tsy ny faha 26 septembre 2024 izao nitarika ny fotoam-pivavahana fanokafana izao zaikabe andihany faha 9 izao moa ny avy eo anivon’ny birao foiben’ny FJKM isay sady nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy izay notronon’ireo solon-tenam-panjakana izay notarihin’ny Prefet ny Morondava niaraka tamin’ireo  SAMPATI foibe sy ny mpiahy azy ary ny filohan’ny antily eto Madagasikara

Isany zava-dehibe izay zaikabe izao satria manana anjara lehibe eo amin’ny sahan’ny FJKM satria rafitra faran-tampony eo amin’ny sampana mpanazava sy tily amin’ny fanampahan-kevitra ka andrasana amin’izao zaikabe izao ny tatitra ny asa avy amin’ny birao foibe sy ny komity foibe ny SAMPATI ny asa nataon’izy ireo nandritrin’ny fotoam-piasan’izy ireo sy ny asa miandry manaraka indray ary ny  ny fifidianana ireo tompon’andraikitra hitantana ny SAMPATI indray ka hisaorana ny Tompo hoy ny mpitandrina Robison Radolalaina Johary tonian’ny departement ny fiangonana fa tontosa soaman-tsara ny fandraisana izay nataon’ny mpandray vahiny indrindra ny fanomanana izay nataon’ny SAMPATI ; foibe mahatratra 212 moa ireo mpizaika ary isany niavaka tamin’izany ny fisian’ireo telo lahy izay nadeha bysclette avy any Antananarivo hatraty Morondava

Nangonin’i RA PA

Related Post

𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑶𝑴𝑷𝑶𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑽𝑨𝑽𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑽𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑲𝑨𝑳𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑯𝑨 30 𝑻𝑨𝑶𝑵𝑨

Posted by - novembre 15, 2025 0
𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐃𝐈𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 ‎𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚 ‎ ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀…