Nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra

483 0
Vao nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka dia nanorina efitrano fianarana ireo fokonolona tany an-toerana.
Ny taona 2008 dia rodana izany efitrano fianarana izany ka nangataka tamin’ny Fitondram-panjakana tamin’izany fotoana ny hanorenana efitrano vaovao ireo vahoaka saingy tsy nahazo valiny. Kandida solombavam-bahoaka vehivavy tamin’izany fotoana kosa no nanolotra ity trano fianarana vita amin’ny zozoro ity mba nahafahan’ny ankizy nanohy ny fianarana.
Taty aoriana dia manapak’evitra ny fokonolona ny hanorina efitrano fianarana vaovao ka nanome tanana azy ireo ny Fitondram-panjakana tamin’ny famitana izany efitrano izany saingy tsy mbola ampy izany koa mangataka amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hanorona efitrano fianarana fanampiny.
Etsy andaniny kosa dia misaotra ny Fitondram-panjakana ireo vahoaka any an-toerana fa mandry fahalemana ny tany tato anatin’ny 5 taona izay
📝 𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒊𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…