Nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra

414 0
Vao nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka dia nanorina efitrano fianarana ireo fokonolona tany an-toerana.
Ny taona 2008 dia rodana izany efitrano fianarana izany ka nangataka tamin’ny Fitondram-panjakana tamin’izany fotoana ny hanorenana efitrano vaovao ireo vahoaka saingy tsy nahazo valiny. Kandida solombavam-bahoaka vehivavy tamin’izany fotoana kosa no nanolotra ity trano fianarana vita amin’ny zozoro ity mba nahafahan’ny ankizy nanohy ny fianarana.
Taty aoriana dia manapak’evitra ny fokonolona ny hanorina efitrano fianarana vaovao ka nanome tanana azy ireo ny Fitondram-panjakana tamin’ny famitana izany efitrano izany saingy tsy mbola ampy izany koa mangataka amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hanorona efitrano fianarana fanampiny.
Etsy andaniny kosa dia misaotra ny Fitondram-panjakana ireo vahoaka any an-toerana fa mandry fahalemana ny tany tato anatin’ny 5 taona izay
📝 𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒊𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…