π‡π€π‡π€π™πŽ π…πˆπ“π€πŽπ•π€ππ€ 𝐍𝐘 π‡π€πˆππŽπ•π€πŠπˆπ‰π„π‘πˆπŒ-ππ€π‡πŽπ€πŠπ€ π€πŽ π€πŒππ€π“πŽπ‹π€πŒππ˜, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 π•πŽπŠπ€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ‡π€πŽππ€π’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π“π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 π’π˜ 𝐍𝐘 πŠπŽπ‹πŽππ“π’π€πˆππ€

6 0

Androany 07 Novembra 2025, tetsy amin’ny Biraon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina testsy Anosy dia nisy ny fihaoanna manokana teo amin’Andriamatoa Gasikara Fenosoa Minisitry ny Kolontsaina, sy Andriamatoa Mika RAKOTOMALALA Ben’ny Tanana Kaominina Ambatolampy., maro ny zavatra nifampiresahana sy ny fifampidinihana tao anatin’izany fihaonana izany ka ireto teboka 3 ireto no tena nisongadina :
  1. — 1 Ny olana mahakasika ny fahatapahan’ny TVM sy ny RNM izay miverimberina matetika eto amin’ny Commune Urbaine Ambatolampy
  2. — 2 Fangatahana fiofanana mahakasika ny serasera sy ny kolontsaina
  3. — 3 Fijerena ny fiarahamiasa eo amin’ny fampandrosoana eto anivon’ny Commune Urbaine Ambatolampy ho tombotsoa ambon’ny vahoaka.
Naneho ny fahavonony hanampy avy hatrany ny Minisitrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka novaliny teo noho eo ny mahakasika ny olan’ny TVM sy RNM, ary fantatra fa amin’ity volana Novambra ity ny tenany dia hidina any Ambatolampy any, hanatitra ireo fitaovana vaovao mba ahafahan’ny vahoaka eto amin’ny distrika mijery sy mihaino ny fahitalavim-pirenena, dia ny TVM sy ny RNM.
Nambaran’ity Minisitra ity hatrany moa fa Β» Vonona ny fitondrapanjakana mijoro amin’ny fiaraha-miasa ny fampandrosoana ny Commune Urbaine Ambatolampy amin’ny fampanantenana nataony Β»
Fisaorana avy amin’ny fo no nasetrin’Andriamatoa Ben’ny tanana izany fampanantenana mahavelom-bolo izany, ka nilazany hoe
Β« Ambatolampy tsy maintsy mandroso.. Β»
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post