MORONDAVA, MPAMILY TAXI-BROUSSE IRAY MATY VOAHITSAKY NY NAMANY

134 0
✅Nitrangana lozam_pifamoivoizana teo bazar be Morondava androany tokony tamin’ny efatr’ora folak’andro ka mpamilin’ny taxi_brousse iray mampitohy an’ny Morondava sy Ankilizato no voahitsaky ny TAXI-BROUSSE namany ka maty teo no eo.
✅Raha ny zava-nisy dia niady izay handeha aloha izy ireo ka nosakanany ity namany tsy handeha fa miandry azy ka lasa niteraka ady izany ary nosotominy ity namany izay efa eo amin’ny familiana ary efa mivoaka ny tobim_piantsonana ka nanditra izany izy no lavo ka voahitsaky ny kodiarana hafara ary namoy ny ainy.
Tonga teny an-toerna moa ny polisy sy zandary ary efa noraisin’ny polisy ilay mpamily nitondra ny fiara navoahitsaka ity namany ity.
💥Fanaon’ireo mpamily ny Taxi brousse mampitohy an’ny Morondava sy Ankilizato moa no miara misotrosotro rehefa tonga eto Morondava satria miala maraina any Ankilizato izy ireo ary ny moron’andro vao miala Morondava ka teo ampisotroina no efa tsy nifaranaraka izy roalahy ireto koa hanainarana ny tompon’andraika satria dia efa lasa fazaran’ireo mpamily no misotro alohan’ny handeha satria dia maro moa ireo trano fisotroina eo amin’ny tobim-piantsonana .
👉Efa noentin’ny fianakaviana any Ankilizato moa ny vataman_gatsikan’ny Tompokolahy ary ny fiara foentiny ihany no nitondrana azy.
✍️RA PA

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…