•Tsy vao noforonina nentina hanaovan-dratsy ny hafa ny morengy fa isany kolontsaina manana ny hasiny izay nolovaina tamin`ireo ray amandreny tany aloha.
Isany faritra mankafy azy ity ny foko Tsimihety, raha ny ao Mandritsara ohatra dia misy ny atao hoe; Morengy soman`androna. Lalao ady toto-hondry andraisan`ny tovolahy mafy avy amin`ny tànana manodidina ny renivohitra.
Mampiavaka amin`ny Morengy ao an-toerana ny tsy fahazoan`ny mpandray anjara amin`ny ady mandaka fa tsy maintsy tànana roa ihany no miasa.
Be mpakafy ny morengy noho izy filamboly. Tsy maintsy asiana zava-maneno mandrotsirotsy mandritra fanatanterahana azy ho fanalana monimonaina io no atao hoe « Morengy watsa » Natao fitadiavam-vola ny morengy mba ahafahan`ny mpikarakara mampiakatra avo ny hetsika.