Nihaona, androany, ny filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin sy ny filohan’ny Ordre des Journalistes de Madagascar Rasoloarison Monica, niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena faritany Fianarantsoa Fomendraza Haingo Nambinina ary ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo, eto Antananarivo, Gascar Fenosoa, tohin’ny tranga, ny talata 15 oktobra 2025, momba ny fanakanana ny ampahany tamin’ny mpanao gazety, hanatrika ny lanonana fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teo anivon’ity Andrimpanjakana ity.
Fandaminana anatiny nohon’ny hamaroan’ny olona tonga eny amin’ny Antenimierampirenena rehefa fotoam-pivoriana sy ny fisian’ireo olona mitonona ho mpanao gazety nefa misandoka ny asa no anton’ny fandaminana fa tsy fanilikilihana na fanavakavahana na fanivanana ny mpanao gazety velively, raha ny fanazavana nomenยดny AN.
Mametraka tanteraka ny Antenimierampirenena ho Andrimpanjakana mandala ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana ary ny mangarahara ireo Solombavambahoaka voafidy, miasa ankehitriny, raha ny fanazavana hatrany.
Hisy ny fivoriana hiarahan’ireo mpikambana amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena sy ny avy amin’ny birao mitantana ny OJM, hanatsarana ny fomba fiasa sy hanadiovana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ifarimbonan’ny roa tonta.
๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ผ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ณ๐ฒ๐ฝ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ถ๐ป๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ผ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐๐ ๐ต๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฒ๐ต๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ยซย ๐ฐ๐ฎ๐ฟ๐๐ฒ ๐ฝ๐ฟ๐ผ๐ณ๐ฒ๐๐๐ถ๐ผ๐ป๐ป๐ฒ๐น๐น๐ฒ ๐ข๐๐ ย ยป ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ยซย ๐ฐ๐ฎ๐ฟ๐๐ฒ ๐บ๐ฎ๐ถ๐๐ผ๐ปย ยป ๐บ๐ถ๐๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ผ๐บ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ ๐ป๐ ๐ข๐๐ , ๐ฎ๐ป๐ฒ๐ป๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ ๐ด๐ฎ๐๐ฒ๐๐ ๐๐๐ ๐บ๐ฏ๐ผ๐น๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฒ๐ป๐ผ ๐ณ๐ฒ๐ฝ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ต๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ, ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ผ๐ถ๐ฏ๐ฒ ๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ข๐๐ .
Nalaina tao amin’ny Tranon-kala Ofisialin’ny OJM