MIPETRAKA FILAMATRA EO AMIN`NY FIARAHAMONINA NY FIANAKAVIANA TSY HOMANA AMALONA AMBALAFARY MANDRITSARA

570 0
Isany fianakaviana mbola maneho ny fifanajana sy fifankatiavana eo amin`ny fiarahamonina misy azy ny fianakaviana tsy Homana amalona ao Ambalafary kaominina Kalandy distrikan`i Mandritsara. Mipetraka ho filamatra amin`ny lafiny maro izy ireo eo anivon`ny firahamonina. Miainga avy amin`ny fanajana ny razam-be taloha sy ny kolontsaina ary ny harena navelany. Mampiavaka ny foko Tsimihety manontoo rahateo ny fanomezana haja ny ray amandreny efa lasanko razana ka aseho amin`ny fomba miavaka izay feno voninahitra.
Omaly alatsinainy 16 septambra 2024, lanonambe no natao tao Ambalafary fanadiovana sy fanarenana ny Fisoronana « Andohomby » teo koa ny famangiana ny fasan-drazana misy ny oloben`ny Tsy homana amalona. Miantso ny tokony hanamafisana fifankatiavana sy fifanajana ny Ray amandreny ao anatin`ny fianakaviambe ity. Ny fahadiovana sy fanomezana hasina ny lova napetraky ny Ray amandreny, isan`izany ny rano lehibe « Matsabôry Lanilaizana » izay niandohan`ny tananan`Ambalafary sady fiveloman`ny RAD fahiny ka lasa tsy voahaja intsony ankehitriny. Naverina ny hasin`izany amin`izao izay niantsoana mpanjaka avy ao Ampomby. Nitaona ny fianakaviana tsirairay samy hitandro toy ny anaka andriamaso ireo harena sy lova ara-drazana ireo ny Sojabe ao anatin`ny fianakaviana, nahitana ny Ray amandreny an-tanana sy monina an-tany lavitra.
Vahoaka an-drivony no tonga nanome voninahitra izany omaly, samy niombom-po naneho ny fanajany ny fomba. Ankoatra ny fikarakaran`ny ao an-tanana dia tsy niraviravy tanana koa ny RAD zanaky ny Tsy homana amalona any lavitra fa mba tonga nitarika ny hetsika ary nandray anjara betsaka tamin`ny fikarakarana ny Profesora Zafilaza, nifarimbonan`ny vahoaka maro sy ireo nasaina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

CROIX ROUGE MALAGASY

Posted by - janvier 15, 2025 0
Nanatanteraka hetsika fanetanana ireo mpilatsaka antsitra_po avy ao amin’ny croix rouge Malagasy ato Morondava manatanteraka fanairana sy fanetanana mikasika ny…

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - décembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja…

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆   Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana…