MIPETRAKA FILAMATRA EO AMIN`NY FIARAHAMONINA NY FIANAKAVIANA TSY HOMANA AMALONA AMBALAFARY MANDRITSARA

646 0
Isany fianakaviana mbola maneho ny fifanajana sy fifankatiavana eo amin`ny fiarahamonina misy azy ny fianakaviana tsy Homana amalona ao Ambalafary kaominina Kalandy distrikan`i Mandritsara. Mipetraka ho filamatra amin`ny lafiny maro izy ireo eo anivon`ny firahamonina. Miainga avy amin`ny fanajana ny razam-be taloha sy ny kolontsaina ary ny harena navelany. Mampiavaka ny foko Tsimihety manontoo rahateo ny fanomezana haja ny ray amandreny efa lasanko razana ka aseho amin`ny fomba miavaka izay feno voninahitra.
Omaly alatsinainy 16 septambra 2024, lanonambe no natao tao Ambalafary fanadiovana sy fanarenana ny Fisoronana « Andohomby » teo koa ny famangiana ny fasan-drazana misy ny oloben`ny Tsy homana amalona. Miantso ny tokony hanamafisana fifankatiavana sy fifanajana ny Ray amandreny ao anatin`ny fianakaviambe ity. Ny fahadiovana sy fanomezana hasina ny lova napetraky ny Ray amandreny, isan`izany ny rano lehibe « Matsabôry Lanilaizana » izay niandohan`ny tananan`Ambalafary sady fiveloman`ny RAD fahiny ka lasa tsy voahaja intsony ankehitriny. Naverina ny hasin`izany amin`izao izay niantsoana mpanjaka avy ao Ampomby. Nitaona ny fianakaviana tsirairay samy hitandro toy ny anaka andriamaso ireo harena sy lova ara-drazana ireo ny Sojabe ao anatin`ny fianakaviana, nahitana ny Ray amandreny an-tanana sy monina an-tany lavitra.
Vahoaka an-drivony no tonga nanome voninahitra izany omaly, samy niombom-po naneho ny fanajany ny fomba. Ankoatra ny fikarakaran`ny ao an-tanana dia tsy niraviravy tanana koa ny RAD zanaky ny Tsy homana amalona any lavitra fa mba tonga nitarika ny hetsika ary nandray anjara betsaka tamin`ny fikarakarana ny Profesora Zafilaza, nifarimbonan`ny vahoaka maro sy ireo nasaina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

Posted by - juillet 10, 2024 0
𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀𝐌𝐁𝐎, 𝐂𝐎𝐌𝐌𝐔𝐍𝐄 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 — Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny « Pilône eto Vohitrambo » izay mamatsy fifandraisana…

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…