𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 πŒπ€π‡π€ πŽπ‹πŽππ€ : π“πŽπ‡πˆπ’𝐍𝐘 π‡π„π“π’πˆπŠπ€ πŠπŽππˆπ€ π…π€πŽππ„ π‡πŽ 𝐀𝐍’πˆπ‘π„πŽ π€ππŠπˆπ™π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π€πŠπ€ππ˜ π€πŠπ€πŒπ€π’πŽπ€

75 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 πŒπ€π‡π€ πŽπ‹πŽππ€ : π“πŽπ‡πˆπ’𝐍𝐘 π‡π„π“π’πˆπŠπ€ πŠπŽππˆπ€ π…π€πŽππ„ π‡πŽ 𝐀𝐍’πˆπ‘π„πŽ π€ππŠπˆπ™π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π€πŠπ€ππ˜ π€πŠπ€πŒπ€π’πŽπ€
πŸ“ŒNy zo hanana anarana no zo fototra voalohany tokony ananan’ny olona mba afahany misitrika ny zo hafa rehetra sy mandia ny fiainana andavanandro. Izany zo hanana anarana izany dia azo amin’ny alalan’ny sora-pahaterahana.
➑️Noho izany indrindra no nanatanterahan’ny Ministeran’ny Fitsarana, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, hetsika kopia faobe ho an’ireo ankizy eo amin’ny Akany Akamasoa.
β­•Raha tsiahivina dia tamin’ny 4 jona lasa teo no nanaovana ny fitsarana mitety vohitra momba io hetsika io. Ka anio alarobia 24 Jolay no fisantarana izany ka nanomezana ireo kopia lava azo avy amin’izany fitsarana izany.
πŸ”ΉAnkizy miisa 615 no nisitraka izany hetsika kopia faobe izany ka nizarana ireo sora-pahaterahana, fizarana izay natrehan’i Mopera Pedro sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ary ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely.
πŸ”΄Izao hetsika fidinana ifotony fijerevena ny mety hanampiana ireo mpiara belona izao dia fanatanterahina ny andry voalohany izay « Fanandrantana ny maha olonaΒ Β» satria dia fitsinjovana ny zon’ny ankizy sy ny maha olom-pirenena azy ireo, sy ny andry fahatelo izay napetraky ny fitondram-panjakana dia ny « Fanjakana tsara tantanaΒ Β» satria dia manakaiky vahoaka hatrany ny Fitsarana.
➑️Araka ny nambaran’ny Ministra dia azon’ny olona rehetra ny manao fangatahana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana raha tsy manana kopia lava ny olona iray, ka afaka manantona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany rehetra erak’i Madagasikara momba izany ny Vahoaka.

Related Post

Mandritsara | Voapetraka amin’ny toerany ny Mpampanoa lalΓ na vaovao

Posted by - juillet 7, 2024 0
(𝖡𝗂𝗇𝖺 π—π–Ύπ—…π—ˆ π—‡π—ˆ 𝖾𝗇𝗍𝗂𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗍𝖺𝗇𝗍𝖾𝗋𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 π–Ίπ—Œπ–Ίπ—‡π—’) Miompana am𝗂n`ny paikady 3 lehibe ny vinam-pitantanan`ny tonia mpampanoa lalΓ na vaovao eto Mandritsara,…