Mandritsara, mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana

41 0
๐Œ๐š๐ง๐๐ซ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š – ๐Œ๐ข๐ญ๐จ๐ก๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ž๐ณ๐š๐ค๐š ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ซ๐ž๐ง๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ญ๐จ๐ง๐ญ๐จ๐ฅ๐จ ๐ข๐š๐ข๐ง๐š๐ง๐š
(๐‘ฏ๐’‚๐’Ž๐’†๐’•๐’“๐’‚๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’•๐’†๐’•๐’Š๐’Œ๐’‚๐’”๐’‚ ๐’Š๐’‚๐’“๐’๐’—๐’‚๐’๐’‚ ๐’•๐’๐’๐’•๐’๐’๐’ ๐’Š๐’‚๐’Š๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’ ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’•๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’๐’, ๐’Ž๐’Š๐’”๐’š ๐’๐’š ๐’•๐’†๐’•๐’Š-๐’ƒ๐’๐’๐’‚ ๐’๐’‚๐’‘๐’†๐’•๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’‰๐’Š๐’Œ๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’๐’‹๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’“๐’๐’—๐’‚๐’๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’“๐’)
โœฆTsy miraviravy tanana ny fitondram-panjakana amin`ny fiarovana ny tontolo iainana amin`ny alalan`ny Minisiteran`ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ankatoka fankalazana andro manerantany ho an`ny tontolo iainana izao dia nanambara ny mahazava-dehibe ny fikajiana tontolo iainana ireo tomponan`andraikitra misahana izany ato anatin`ny faritra Sofia. Araka ny lohahevitra : ยซย ๐‘ฏ๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’ˆ๐’๐’‚ ๐’”๐’š ๐’๐’๐’—๐’‚ ๐’”๐’‚๐’“๐’๐’ƒ๐’Š๐’…๐’š ๐’‰๐’๐’‚๐’`๐’๐’š ๐’‰๐’๐’‚๐’—๐’Š๐’๐’•๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’š ๐’•๐’‚๐’๐’š ๐’Œ๐’‚๐’š ๐’Š๐’๐’…๐’‚๐’‰๐’š ๐’‰๐’‚๐’ˆ๐’๐’‚๐’๐’ ๐’“๐’๐’ˆ๐’๐’ ๐’‚๐’“๐’‚๐’Š๐’Œ๐’š ๐’‰๐’‚๐’ˆ๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’ˆ๐’๐’š ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’`๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’Š๐’‰๐’‚๐’ˆ๐’๐’‚ ๐’‰๐’‚๐’Š๐’-๐’•๐’‚๐’๐’šย ยป Ilaina fitambarana ny ady amin`ny fahapotehana ny tontolo iainana, raha ny nambaran`ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Dr Manantsoa Clermond.
Tao amin`ny kaominina ambanivohitra Marotandrano no ivon`ny fankalazana ny 5 jona andro manerantany ho an`ny tontolo iainana ato Sofia, ao an-toerana izay misy ala arovana sy tontolo voajanahary miantoka ny fiainan`ny olombelona sy ireo biby maro ary ny tany. Ny taona 2001 raha tsiahivina no nanomboka ny fiarovana ny ala arovana Ambiniviny, raha ny taona 1956 kosa no hita ny fisian`ity kirihotr`ala ity. Tsy hitsitsy amin`izay minia manimba ala ny fanjakana amin`ny alalan`ny Madagascar National Parc izay tohanan`ny mpiara-miombonantoka amin`ny WWF, WWT, MEDD ary by DREDD.
Lanonam-be no nankalazana izany androany 5 jona tao Marotandrano, notronin`ny tompon`andraikim-panjakana misy eto Mandritsara, lehiben`distrika m Velomaro L`Faustin sy ireo ekipany, misy koa ny avy amin`ny faritra Sofia : ny sekretera jenerelan`ny faritra, ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, talem-paritry ny Rano ary Talem-paritry ny Fampandrosoana.
Nangonin’i Claudio

Related Post

Fikambanana TAHIO GN’ATEGNA | TOURNOI FOOT-BALL COUPE AOMBY MATAVY

Posted by - janvier 8, 2024 0
๐…๐€๐‘๐€๐…๐€๐๐†๐€๐๐€ ๐™๐Ž๐Œ๐€ ๐ŸŽ๐Ÿ“ -๐ŸŽ๐Ÿ-๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ’ | ๐…๐ข๐ค๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐“๐€๐‡๐ˆ๐Ž ๐†๐’๐€๐“๐„๐†๐๐€ | ๐“๐Ž๐”๐‘๐๐Ž๐ˆ ๐…๐Ž๐Ž๐“-๐๐€๐‹๐‹ ๐‚๐Ž๐”๐๐„ ๐€๐Ž๐Œ๐๐˜ ๐Œ๐€๐“๐€๐•๐˜ ๐Œ๐ข๐ข๐ฌ๐š ๐Ÿ“ ๐๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ข๐ฌ๐š๐ง’๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐…๐จ๐ค๐จ๐ง๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐Ÿ’ ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ซ๐š…