LETCHI MANDRITSARA – π— π—œπ—§π—’π—•π—”π—žπ—”, 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔π—₯𝗒 𝗑𝗬 π— π—£π—”π—‘π—”π—‘π—šπ—’π— -π—žπ—’π—žπ—”π—§π—₯𝗔

3 0

Vitsy ny mpanangom-bokatra manondrana ivelany, mitobaka anefa ny vokatra. 30.000 Ar ny iray garaba (harona lehibe), misy 10.000 Ar arakaraka haben`ny harona. 12 /100 Ar.

Ireo mpividy tsotra mandafo sisin-dalana no betsaka tonga mividy ao amin`ny tsena voatokana Ambalanantsotry Mandritsara.

« Tsy misy maka maro ny mpividy, maka kely dia lasa, tianay ny hanjifan`izy ireo amin`ny harona maromaro » hoy ireo mpitondra vokatra avy ambanivohitra. Amin`ny tapany atsinanan`i Mandritsara no mpamatsy vokatra ity.

Miantso ireo mpividy vokatra ho tonga aty an-toerana izy ireo. Nanomboka tamin`ny herinandro ity no tsy tapaka ny fitondran`ireo mpamboly letchi izao aty Mandritsara.

Nangonin`i Claudio

Related Post