π…πˆπ‡π€πŽππ€π’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π•π€π•π„ππ“π˜ π“π€πŒπˆπ’πˆπ‘π„πŽ πŒππˆπ€π’π€ π„πŽ π€ππˆπ•πŽπ’𝐍𝐘 πˆππˆππ…π‘π€

16 0
Nitsidika sy nihaona tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Β« Institut National de l’Infrastructure Β» na ININFRA ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RAFIDISON Richard ThΓ©odore, androany teny Alarobia. Fotoana iray nifankahalalana sy nametrahana ireo fomba fiasa vaovao.
Nanamafy ny Minisitra tomponandraikitra fa miaraka mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona ao amin’ny politikam-panjakana ny tsirairay. Misy ny fandrindrana miainga avy amin’ny Ministera foibe, izay miara-miasa akaiky amin’ireo rantsamangaika rehetra. Nitohy tamin’ny fandaminana ny Β« Projets d’investissement public Β» na PIP 2025 ny fotoana.
Tsara marihana fa 36 taona nijoroana ny ININFRA, anisan’ireo rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Manana traikefa amin’ny fampiofanana ireo mpiasa ho lasa matihanina na ireo vao nahavita fianarana ka hiditra amin’ny sehatry ny asa ity ivontoerana ity.
Tomponandaikim-panjakana sy teknisianina aman’arivony no efa nandalo fiofanana tao, araka ny nambaran’ny Tale Jeneraliny, Ramatoa RAKOTOBE Seheno. Manana laboratoara sy Β« atelier Β» hanatanterahana izany rahateo ny ivontoerana.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post