HATSANGANA NY « PLATEFORME NUMÉRIQUE » HO AN’NY TANORA: HISOKATRA NY SEHATRA IFANAKALOZANA HEVITRA MANERAN-TANY
Hiditra amin’ny dingana vaovao ny politikan’ny tanora eto Madagasikara. Taorian’ny telo volana mahery nitondrany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, dia nanambara ny minisitra Alain Désiré RASAMBANY fa hatsangana tsy ho ela ny sehatra nomerika ahafahan’ny tanora mifanakalo hevitra sy mandray anjara mivantana amin’ny fanavaozana.
Araka ny fanazavany, nifantoka tamin’ny fametrahana laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny vina napetraky ny Filoham-pirenena ny asa natao tao anatin’ny telo volana voalohany. Anisan’ny fanontaniana napetraka matetika ny hoe: “Mihaino ny tanora ve ny ministera?” Namaly mazava ny minisitra fa eny, ary efa raisina ho zava-dehibe ny hetaheta sy ny fitakiana nambaran’ny tanora nandritra ny hetsika natao nitakiana izao fanavaozana izao.
Sehatra misokatra ho an’ny rehetra
Ny « plateforme numérique » hatsangana dia natao ho sehatra iombonana, misokatra ho an’ny tanora rehetra tsy an-kanavaka. Tafiditra ao anatin’izany ny mpandraharaha, ny mpianatra, ny tanora mpanao politika, ny fikambanana, ary koa ireo Malagasy monina any ivelany.
Tanjona ny hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandraisana anjara amin’ny fanovàna ara-drafitra kasaina hatao eo anivon’ny ministera. “Tsy hisy fanilihana na fanavahana ny fidirana ao anatin’io sehatra io,” hoy ny fanamafisan’ny minisitra.
Fikaonan-doham-pirenena amin’ny volana Martsa
Fantatra fa amin’ny fiandohan’ny volana Martsa ho avy izao no hanombohana ny fikaonan-doham-pirenena ho an’ny tanora. Ity no heverina ho fotoana lehibe handrafetana paikady mazava sy handinihana ny fanamby atrehin’ny tanora manerana ny Nosy.
Nanentana ny rehetra ihany koa ny minisitra mba hialana amin’ny fifandrangitana sy ny fandrebirebena, ary hifantoka amin’ny dinika sy ny asa mivaingana. Nohamafisiny fa misokatra hatrany ny varavaran’ny ministera amin’ny fihainoana sy ny fandraisana soso-kevitra avy amin’ny tanora amin’ny sehatra rehetra.
Amin’ny ankapobeny, mikendry ny hanamafy ny fifampitokisana sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny fanjakana sy ny tanora ity fandraisana andraikitra vaovao ity, ka hahafahana mametraka fototra maharitra ho an’ny fampandrosoana.




